airtel

Actualités

16-sept-2022

Actualités

Zavatra tsy voaresaka momba an’Ikongo Vehivavy 1 sy ankizivavy 1 no notetitetehan’ny fokonolona

Sample post image

Nahavita fanadihadiana mahaleotena tany Ikongo ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny zon’olombelona na CNIDH,

16-sept-2022

hoy ny tatitr’izy ireo tetsy amin’ny biraony etsy Antsahavola omaly. Tsy azo avela fotsiny amin’izao ny fahafatesan’ny mpiray tanindrazana, hoy ny filohan’izy ireo, Seth Andriamarohasina, fa tsy maitsy atao ny fanadihadiana. Napetraky ny lalana hanao fanadihadiana mikasika izay mety tranga mahakasika zon’olombelona eto amin’ny firenena izahay. 21 no isan’ny namoy aina tamin’ity raharaha ity raha ny antotan’isa voamarina eto am-pelantananay. 9 maty teo no ho eo rehefa nisy ny fifampitifirana. 11 maty tao amin’ny hopitalin’Ikongo. 1 maty tao amin’ny hopitalin’Ifanadiana. 9 no nanao fanambarana fahafatesana tao amin’ny kaominin’andrenivohitr’Ikongo fa raha atotaly izany dia 21 no isan’ny namoy aina. Efa nody ireo naratra farany ary miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny fiainan’ny mponina ao an-tampon-tanana. Raha tsiahivina ny nihavian’iny tranga nampalahelo ny 29 aogositra iny dia nisy zaza varira 2 taona sy tapany tao amin’ilay toerana hoe Ambatolampy. Nalain’ny mpaka an-keriny io dia novonoina ny reniny. Nosamborin’ny mpitandro filaminana ireo olona miisa 4 noahiahiana. Misy rain’ilay zaza varira amin’ireo satria hoe tsy teo an-toerana io rainy io tamin’ny fotoana nisian’ilay tranga. Rehefa hitan’ny vahoaka nosamborina dia heveriny hoe meloka izay. Eo koa moa ny fahatezeran’ny mana-manjo dia niely be ilay resaka. Nentina tany amin’ny biraon’ny zandaty moa ireo. Tsy tokony nopetahana rojo angamba fa nantsoina tany amin’ny biraon’ny zandary fotsiny. Alahady ireo no tonga tao amin’ny biraon’ny zandary dia alatsinainy nivoaka ireny zavatra rehetra ireny. Ny antony nahatonga ireo fokonolona miisa 300 teo niara-nirohotra teny amin’ny tobin’ny zandary dia mbola samy manana ny petrakeviny aloha hatreto. Ny voamarinay aloha dia misy ny atao hoe Koka izay fifanentanan’ny mpiray tanana hoe andao ho ary ka raha misy tsy mandeha dia voasazy handoa 10.000 Ariary isan-dahy. Izay no ao anatin’ny dina. Ny tanjona dia nazava ny valintenin’izy ireo hoe haka azy efadahy. 6 na 7 teo no isan’ny zandary tany an-toerana ka nampiana polisy satria hoe marobe ireo olona nananika ny toby. Nisy mpiandry fonja miisa 2. Ny 1 tsy misy basy. Ny mpitandro filaminana koa niaina fitsoahana niaraka tamin’ny vady aman-janany miaraka amin’ny entan-keliny nandia 25 km an-tongotra nandritry ny 25 ora teo niala tamin’io toerana io. Ny zavatra tsy dia voaresaka nefa mampalahelo ihany koa dia taorian’io tranga ny 29 aogositra io nisy fianakavian’ireto efadahy nosamborin’ny zandary ireto, rehefa avy nodorana ny tranony dia notetitetehan’ny fokonolona ny ankizivavy iray sy vehivavy iray. Tsy nisy resaka. Rehefa malemy ny fahefam-panjakana dia mirodana ho azy koa ny zo maha olona rehetra, hoy hatrany ny CNIDH.
J. Mirija
Legende: Ry zareo ao amin’ny CNIDH
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap