airtel

Actualités

13-déc-2021

Actualités

Zaza varira nisy naka voamaso Nalefa ao amin’ny hopitalin’Ihosy

Sample post image

Nalefa ao amin'ny hopitaly Ihosy ilay zaza varira nisy naka voamaso tany Benato Toby, raha ny fampitam-baovaon’ny depiote voafidy tao Betroka, Nicolas Randrianasolo.

13-déc-2021

 Ho tarafina Radio ny masony ahafahana mahalala ny hanohizana ny fitsaboana azy izay hatao ao amin'ny hopitaly Betroka ihany, hoy ity depiote ity nisaorana ny minisitrin'ny mponina sy ny Unicef nanampy tamin'ny fandraisana an-tanana tamin'ny fitsaboana ilay zaza. Efa nanao izay tratrako aho ary hanampy ilay zaza amin'ny fikarakarana azy ho fiahiana azy amin'ny fiainany. Fantany avokoa, araka ny nambarany tamiko, ireo olona nahavita nanao ny habibiana taminy. Efa mandray an-tanana ny fikarohana ireo nahavanin-doza ny mpitandron'ny filaminana eto Betroka, hoy hatrany ity depiote ity. Mampametra-panontaniana, etsy ankilan’izay, hoe ka na fantany aza izany moa ireo nahavanon-doza, ahoana no ahafahany manondro azy ireo noho ity tsy fisian’ny masony intsony ity ?
J. Mirija
Legende: Ny depioten’i Betroka sy ilay zaza
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap