airtel

Actualités

20-janv-2021

Actualités

Zazavavy kely voaolana Tsy afaka mivalan-drano ara-dalàna intsony

Sample post image

Ratsy ny fiantraikan’ny herisetra ara-nofo toy ny fanolanana na ara-tsaina na ara-batana.

20-janv-2021

 

 

 

 

Zazavavy kely iray vao 8 taona monja no niharan’izany 2 taona lasa izany tany Farafoday. Mbola misy fiantraikany amin’ity zazavavy kely ity hatrany anefa izany. Raha araka ny fitarainan-dreniny mantsy dia tsy afaka mivalan-drano ara-dalàna toy ny zazavavy rehetra ilay menaky ny ainy. Amin’ny alalan’ny “sonde” tokana ihany sisa no hahafahany manao izany izay tena marary sy manaintaina azy mafy tokoa.Manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly Philibert Tsiranana ao Faradofay moa ity zazavavy kely ity ankehitriny. ny tenany amin’izao saingy tena sahirana amin’ny fikarakarana azy ny reniny. Raha tsiahivina kely moa ny tantara dia ankizy tsy ampy taona roa no nanararaotra ity zazavavy kely ity raha handeha hamonjy fodiana izy, taorian’ny niarahany nilalao tamin’ny namany. Efa notsaboina izy nandritra izany saingy mbola niverina indray ilay soritr’aretina, 2 taona aty aoriana no sady mbola niitatra ihany koa. Mangataka fanampiana amin’ireo malala-tanana sy tsara sitrapo araka izany ny renin’ity zazavavy kely ity hahafahany manohy ny fitsaboana an-janany eto an-drenivohitra.

Pati

 Legende : Ilay zazavavy kely voaolana

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap
17-avril-2024

Tovovavy kely iray vao 16 taona monja niasa an-tranon’olona avy any ambanivohitra no fantatra

Card image cap
17-avril-2024

Ady vehivavy no namonoana olona tamin'ny fomba mahatsiravina tao Marovotsy Tsiareky Ambovombe ny alin'ny 14 Aprily 2024 tamin'ny 8 Ora Alina.

Card image cap
17-avril-2024

Hanampy tosika ara-bola amin’ny fiveloman’ny mpikambana ny biraon’ny Zanak’i Mahabako

Card image cap
17-avril-2024

Voararan’ny lalana ny mitazona zaza tsy ampy taona ao an-tokantrano ka zanak’olona na

Card image cap