Mbola betsaka ireo tsy mahazo mianatra fa alefa manambady avy hatrany raha vao lehibebe, indrindra fa ny any amin'ny faritra. Misy koa ireo tsy mandova ny Ray aman-dReniny, tsy mahazo mandray fitenenana imasom-bahoaka na misakafo alohan'ny vadiny....Tsy lazaina intsony ireo karazana fampanambadiana aloha loatra ho tombontsoan'ny fianakaviany sy ny maro, ny fampivarotan-tena an-kolaka mahazo ny sasany, ny fanararaotana ara-nofo... Ho fanafoanana ireny karazana sakana ireny no antony hanaovan'ny Filan-kevitra nasionalin'ny vehivavy eto Madagasikara ady sisika ilay Protocole de Maputo tao anatin'ilay loha-hevitra hoe : Tsinjovy ny zon'ny maro an'isa ! Toraka izany koa ny fampananan-kery ireo artikla miisa 32 momba ny zon'ny vehivavy voaraikitra ao anatin'io protocole io izay fehezin'ny lalana iraisam-pirenena. Tsy ho an'ireo mpikambana CNFM irery araka izany ny tombontsoa azo avy amin'izany fa ho an'ireo vehivavy Malagasy manerana ny Nosy mihitsy. Arahin'ny fanitsiana ny lalana nasionaly eto amintsika izany mba hisy vokany sy ho tombontsoan'ny rehetra. Nifarana ny faran'ny herinandro teo ny atrikasa nokarakarain'ny CNFM. Taorian'ireo mpanao gazety sy manam-pahaizana manokana momba ny fampitan-kafatra dia ireo solontenan'ny Ministera maro indray no naneho ny heviny mikasika ny fampananan-kery ity protocole de Maputo ity izay vonona hiara-kiasa avokoa. Mbola hitohy amin'ny fihaonana amin'ireo parlemantera ity atrikasa ady sisika tanterahin'ny CNFM ity.
Pati
Légende : Niaraka tamin'ireo tompon'andraikitra eny anivon'ny Ministera isan-tsokajiny koa ny CNFM !