airtel

Any Ivelany

25-mars-2026

ADY ANY IRAN

Mihamafy hatrany ny fifandonana,

Sample post image

mbola manjavozavo ny fampitsaharana

25-mars-2026

Tsy mitsahatra ny fifampitifirana any moyen orient amin’ity faha 25 andron’ny fifandonana eo amin’ny Iran sy ny fiombonan-kerin’i Etazonia sy Israely ity. Na dia eo aza ny feo mandeha momba ny fifampiresahana ara-diplaomatika, dia mbola feon’ny tafondro sy ny balafomanga no mibahana hatreto.
FANAFIHANA TANY TEL-AVIV
Vao maraina omaly dia nisy andiam-balafomanga balistika nalefan’Iran tany Israely. Voatery nampiditra ny olom-pirenena any amin’ny toerana fialofana ny manam-pahefana Israeliana. Araka ny tatitra vonjimaika, trano fonenana iray no voazeran’ny baomba tany Tel-Aviv, ary olona 6 no fantatra fa naratra kely tao anatin’izany. Ho setrin’izany, nitohy ny daroka baomba nataon’ny fiaramanidina israeliana sy amerikana tany amin’ireo tobin-tsolika sy foto-drafitr’asa stratejika any Isaphan . Natao izany mba hanakanana ny fahafahan’Iran mamatsy ny tafiny sy ny mpiara-dia aminy toa an’i Hebzollah any Liban.
NY FANAMBARAN’I DONALD TRUMP
Ny alin’ny alatsinainy teo, niteraka resabe teo amin’ny vondrona iraisam-pirenena ny fanambarana nataon’ny filoha Amerikana Donald Trump. Nambarany tamin’izany fa nisy ny fifampiresahana mivantana sy nahomby tamin’ireo mpitarika iraniana sasany. Voalaza tao anatin’izany fa vonona hiala amin’ny fandaharanasa nokleary i Iran ho takalon’ny fampitsaharana ny ady. Saingy ora vitsy taty aoriana, nanda tanteraka izany ny ministeran’ny raharaham-bahiny any Teheran. Lazain’izy ireo ho « fandresen-dahatra ara- tsaina » fotsiny izany filazan’ny Amerikana izany. Ho an’Iran moa, dia tsy misy fifampiresahana azo atao raha mbola eo ambonin’ny taniny ny herisetra. Voka-dratsy ara-toekarena sy eo amin’ny maha olona : Ny tontolo iraisam-pirenena iray manontolo mihitsy no voakasika fa tsy ny any an-toerana ihany. Raha ny vidin-tsolika manokana no jerena dia tena mbola lafo izany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena (100 dolara eo ny iray barila.) noho ny tahotra ny amin’ny fanakatonana ny fandalovan’ny sambo mpitondra solika ao amin’ny andilan-dranomasin’i Hormuz. Ary ankehitriny dia tombanana ho 3 tapitrisa ny olona nafindra toerana any Iran, efa mihoatra ny 1000 no maty any Liban vokatry ny ady. Hatreto aloha mbola mijanona ho marefo ny toe-draharaha ary miandry izay mety ho fanapahan-kevitry ny firenena mikambana ny mpanara-baovao rehetra.
Fifaliana H.
 

Dans la même rubrique

16-avril-2026

Miharatsy hatrany ny toe-draharaha

Card image cap