any an-toerana amin’ity andro faha-47 amin’ny ady miteraka krizy ara-angovo eran-tany ity. Nitombo ny daroka baomba natao tany Liban taorian’ny tsy fahombiazan’ny fifampiresahana ny 14 aprily ary namaly faty izany tamin’ny fanafihana 13 misesisesy i Hebzollah. Nikatona ihany koa ny fari-dranomasin’i Ormuz noho ireo sakana (blocus) napetraky ny amerikana, ary niakatra ho 100 dolara ny barilan’ny solika noho izany. Ankoatra izay, mihoatra ny 72000 izao no maty any Gaza . Na dia misy aza ny fanampiana miditra avy any Egypta, dia mbola mitohy ny tifi-danitra izay mandrava ny fampitsaharana ny ady. Etsy andaniny, firenena maro toa an’I Pakistan no efa manisy fahatapahan-jiro mba handrindrana ny fandaniana noho ny fiakaran’ny vidin’ny angovo. Raha fintinina, tandidomin-doza ny fandriam-pahalemana sy ny toekarena maneran-tany noho ity fifandonana mivantana eo amin’ireo firenena matanjaka any an-toerana ireo.
Fifaliana H.