airtel

Any Ivelany

25-mai-2022

Any Ivelany

ADY ANY UKRAINE AN’ALINY MATY TAO ANATIN’NY 3 VOLANA

Sample post image

Telo volana katroka omaly talata 24 may 2022 ny ady any Ukraine. “Opération spéciale” no nitondran’ny Rosianina azy tany am-boalohany, ary nambara tamin’izany fotoana izany fa ao anatin’ny andro maromaro ny hakany an’ity

25-mai-2022

firenena ity ho eo an-tanany. Ny fanoherana ny fidiran’I Ukraine izay tao anatin’ny Vondrona Sovietika fahiny ho ao anatin’ny Vondron-tafiky ny OTAN (Organisation du Traité de l’Atlantique Nord) no notoherin’ny Rosianina satria loza mitatao ho an’ny taniny. Hatramin’izao, mifamahofaho tanteraka ny resaka antontan’isa, raha toa ka voizin’ny Tandrefana fa betsaka ny Miaramila Rosianina maty, izay ambaran’izy ireo fa manodidina ny 12000 hatramin’ny 15000. Tafiakatra 29200 kosa ny miaramila Rosianina maty raha ny antontan’isa navoakan’ny Minisiteran’ny fiarovana any Ukraine, fiaramanidina 240 no potika, fiara mifono vy 1300 eo,.... Ho an’ny Ukrainien kosa dia iray volana izay no namoahan’ny Filohany antontan’isa farany, ka nambarany fa 2500 hatramin’ny 3000 ny isan’ny miaramilany maty, ary 10 000 kosa ny naratra. Nahatratra 8 tapitrisa ny nitsoa-ponenana, ary an’aliny ny sivily maty, saingy tsy tena nivoaka ny isa ofisialy.
FANAMELOHANA HO FATY
LOHALAHARANA I IRAN, ARABIE SAOUDITE, BIRMANIE
Niakatra ny isan’ny fanamelohana ho faty maneran-tany ho an’ny taona 2021 araka ny tatitry ny Amnesty International omaly talata, izay manahy mafy eo anatrehan’ny zava-misy. Isan’ny anton’io ny fihalefahan’ny fepetra mikasika ny coronavirus. Lohalaharana tamin’izany I Iran, Arabie Saoudite, ary Birmanie. Nahatratra 579 ny olona novonoina tamin’ny alalan’ny fanamelohana ho faty tamin’ny firenena 49 tamin’ny taona 2021, izay nisy fiakarany 20% mitaha amin’ny tamin’ny taona 2020, izay niisa 483. Na nisy aza ny fiakarana, ireo taona roa ireo (2020-2022) no ambany indrindra ny tahan’ny fanamelohana ho faty isan-taona taorian’ny taona 2010. Nomarihin’ny Amnesty International kosa fa tsy tafiditra ao anatin’ny antontan’isa ireo olona an’arivony novonoina tamin’ny alalan’ny fanamelohana ho faty tany Chine sy tany Korea Avaratra, ary tany Vietanam noho ny fahasarotana amin’ny fanangonam-baovao sy antontan’isa izay fehezin’ny Fanjakana any amin’ireo firenena ireo.
Toky R
 

Dans la même rubrique