tanin’i Ukraine no tena mafy ny ady sy betsaka kokoa ny fahapotehana noho ny any Rosia. Olon-tsotra 21 000 no namoy ny ainy, tombanana ho 120 000 ny miaraila Okrainiana maty, tsy fantatra mazava kosa ho an’i Rosia .Misy ilaza fa 200 000 ny miaramila Rosiana maty, saingy tsy misy fanambarana ofisialy momba izany hatramin’izao aloha. VOLA BE Ady ampahan-tany no misy eo amin’ireo firenena roa tonta ireto izay iray ihany tao anatin’ny firaisana sovietika (URSS) fahiny anefa. Henjakenjana ihany raha ny fahasimbana sy fahapotena. Raha ny nambaran’ny filoha Volodymyr Zelensky dia mila 1000 miliara dolara ny fanorenana an’i Ukraine.Tena vola be izany, ary ankamantatra hoe aiza moa i Ukraine no mety ahita io volabe io. Tsara ho marihina fa 113 miliara dolara ny fanampiana nomen’i Etazonia an’i Ukraine nandritra izay 3 taona nisian’ny ady izay ka tafiditra ao anatin’io ny fividianana na fanomezana fitaovam-piadiana, fanampiana ara-toekarena, fanampiana ho fitsinjovana ny maha olona, fanampiana sosialy.10 avo heny tamin’ny vola nentina niatrika ny ady izany ny vola ilaina amin’ny fanorenana.
NIJABAKA
Ireo mpamakafaka ny vaovao iraisam-pirenena dia nisy nilaza tany amin’ny fiandohan’ity ady ity fa nijabaka ny filoha Zelensky. Tahaka ny hoe nisy nampirisika hifanandrina amin’i Rosia mba hanalefahana ara-tafika sy ara-toekarena ny firenen’i Vladimir Poutine.Tao ireo nanome toky fa hoe tena hanampy an’i Ukraine, toa resaka ambony latabatra fotsiny anefa ny an-dry zareo eoropeana fa i Etaznia irery no tena nanampy ara-tafika sy ara-bola mivantana an’i Ukraine. Nanao ihany ny eoropeana sasany fa maivana raha oharina amin’ilay ady atrehana.
MIFANDAMINA NY SAMY NGEZA
Ankehitriny io fa manomboka mifandamina ny samy ngeza dia i Etazonia sy Rosia izany, fa hoe ho atsahatra ny ady.lasa mitazatazana fotsiny tsy tafiditra lalina anatin’ny dinika atao any Arabie Saoudite i Volodymyr Zelensky, fa omena tatitra fotsiny dia angamba antsoina hanao sonia avy eo. Ny Vondrona Eoropeana moa tonga dia nahilin’i Donald Trump avy hatrany.Mimenomenona fotsiny fa tsy afaka manao na inona na inona avy eo na dia mivory foana aza ny vazaha eoropeana. Ny firenena potika amin’ny ampahany , maro ireo nitsoa-ponenana ary mampanahy ny ho avy politikan’i Zelensky any Ukraine, ity filoha ity izay tsiahivina ihany fa mpanao hatsikana mialohan’ny naha filoham-pirenena azy.
RTT