airtel

Any Ivelany

06-avril-2022

Any Ivelany

ANGOVO NOKLEARY MANDALO KRIZY GOAVANA

Sample post image

Niakatra hatrany amin’ny 40% ny vidin’ny Uranium, izay akora fototra ilaina amin’ny famokarana angovo nokleary, fiakarana midangana indrindra taorian’ny faharavana nateraky ny loza tao Fukushima izay nisy fiantraikany tamin’ny vidiny.

06-avril-2022

Teo anelanelan’ny janoary sy ny martsa, na ireo fividianana anatin’ny fifanarahana maharitra aza niakatra 15%. Antony maro no voalaza fa mampiakatra an’io, ary mbola milaza hanasazy ny orinasa goavana Rosianina Rosatom ihany koa ny Amerikanina. Ny 6% amin’ny famatsiana uranium maneran-tany no avy any Russie, saingy mitazona ny 35 hatramin’ny 40% amin’ny fanangonana azy amin’ny alalan’ny Rosatom. Mihena ny famokarana maneran-tany, miakatra ny vidiny. Tao anatin’ny 30 taona, miakatra ambony be noho ny famokarana ny fampiasana sy ny fandaniana angovo nokleary. Misy ireo firenena manana tahiry, ka ho an’ny Frantsay, ohatra, dia mahazaka 2 taona amin’ny famokarana herinaratra ho azy ny tahiry ananany, mba hampiodinana ireo « réacteur » miisa 58.
ADY ANY UKRAINE
MIRARAKOPANA NY FANDROAHANA DIPLAOMATY ROSIANINA Nanambara ny fandroahany diplaomaty Rosianina maro i Allemagne tamin’ny alalan’ny Minisitry ny raharaham-bahininy Annalena Baerbock. Manodidina ny 40 eo izany. Isan’ny tsy nahafaly ity firenena ity ilay faty nikararana tany Boutcha. Nanambara ihany koa ny ao Berlin fa loza mitatao ho an’ireo teratanin’i Ukraine mila vonjy ao amin’izy ireo ny fisian’ireo mpiasan’ny Masoivoho Rosianina ao aminy. Miisa 300 000 eo ireo Ukrainiens mitsoa-ponenana any Allemagne vokatry ny fanafihana ataon’i Russie nanomboka ny 24 febroary lasa teo. Nilaza kosa ny Rosianina fa hamparefo ny fifandraisana eeo amin’i Moscou sy Berlin io fanapahan-kevitra io. Isan’ny mampifamatotra ny roa tonta moa ny resaka famatsiana angovo entona fandrehitra sy solika avy amin’ny Rosianina, izay efa nilazan’i Allemagne fa tsy maintsy hahita vahaolana hafa hialana amin’ny fiankinan-doha amin’i Russie, saingy mbola hatramin’ny 2027. I Russie no miantoka ny40% amin’ny gaz sy solika ho an’i Eoropa. Mitovitovy amin’io, diplaomaty Rosianina miisa 35 ihany koa no noroahin’ny Frantsay noho ny tsy fitovian-kevitra amin’ny ady any Ukraine, ary tondroin’izy ireo ho tsy mifanaraka amin’ny tombotsoany.

Toky R
 

Dans la même rubrique