airtel

Any Ivelany

06-mars-2023

Any Ivelany

Antananarivo renivohitra Miha mora tondraky ny orana sy erikerika madinika hatrany

Sample post image

Hiampitana lakana vao afaka ny lalana mifanandrify ny tobin-tsolika tetsy Andrefan’Ambohijanahary ny tolakandron’ny sabotsy teo,

06-mars-2023

tokony ho nanodidina ny tany amin’ny 3 ora latsaka fahefany tany ho any. Miha mora tondraky ny orana sy erikerika madinidinika hatrany I Antananarivo renivohitra. Hatramin’iny manodidina an’Anosy iny aza ankehitriny efa ahitana izany ary dia io voaporofo ny sabotsy teo io indray. Aiza ihany ilay hoe fiaraha-miasa akaikin’ny kaominina renivohitr’Antananarivo sy ny fitondrana foibe izay nodradraina fatratra tamin’ny fampielezan-kevitra hoe efa mitovy loko? Tsy misy afa-tsy fandraisan’andraikitra vonjy tavan’andro, araka ilay hamaritan’ny mpanao politika sasany azy, toy ny fanalana ny rano miandrona tetsy An-dohan’Analakely tamin’ny alalan’ny sio ve? Amin’io koa rehefa mamaivay ny tsikeran’ny mpanara-baovao ao anaty tambazotran-tserasera vao hita ho miseho ireny fandraisan’andraikitra ireny ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique