airtel

Any Ivelany

11-janv-2021

Any Ivelany

ARNOLD SCHWARZENEGGER NANAKIANA MAFY AN’I TRUMP SY NY MPOMBA AZY

Sample post image

Namoaka horonantsary naparitaka tamin’ny haino “internet” I Arnold

11-janv-2021

Schwarzenegger mpilalao horonan-tsary malaza sady Governoran’ny Californie teo aloha omaly alahady. Nanakiana mafy ny fananihan’ny mpomba ny filoha Donald Trump ny Capitole toeram-pivorian’ny antenimierandoholona, ary nanao antso avo ny mba hiombonana ho ao an-damosin’i Joe Biden. Tao amin’ny biraony no nanaovany izany, ary tao an-damosiny ny sainam-pirenena Amerikanina. Nitazona sabatra be ihany koa izy, ary nalefa ny hiram-pitiavan-tanindrazana. Nampitovian’I Arnold ho toy ny fanao tamin’ny andron’ny “Autriche Nazi” ny zava-niseho tao amin’ny Capitole, nampahatsiahivany ny fandripahana ny jiosy.

Dans la même rubrique