airtel

Any Ivelany

10-juin-2026

CHINE

Mihazakazaka amin’ny fananganana « centrale nucléaire »

Sample post image

60 no efa am-perinasa ary

10-juin-2026

misy 36 hafa eo am-panamboarana . Haingana dia haingana ny fanorenan’ny Sinoa Centrale nucléaire satria 5 taona no ahavitan’ny asa ; 2 avo heny haingana kokoa noho ny fanorenana any France izany. Afaka manamboatra centrale nucléaire miisa 50 indray miaraka ny Sinoa raha ny fanazavana. Raha mitohy ny fanamboarana, kely sisa dia ho voasongon’i Chine i Etazonia, izay manana centrale miisa 94 hatreto.Nividy « réacteur nucléaire » misa 2 tamin’i France i Chine ny taona 2018 , ary nisy ny fiaraha-miasa sy fanofanana ka avy amin’izay no nanomboka niditra tamin’ny fanorenana ry zareo Sinoa, rehefa nahazo traikefa sy fahaiza-manao avy amin’ny Frantsay.Centrale nucléaire mpamokatra herinaratra moa ity resahana eto ity,izay tena ilain’i Chine noho ny fahamaroan’ny mpanjifa sy ny orinasa any aminy.
RTT
 

Dans la même rubrique

19-juin-2026

Voasonia tany Paris, Frantsa, tamin’ny 17 Jona 2026

Card image cap
18-juin-2026

Norarana tsy hijery amboara eran-tany

Card image cap