airtel

Any Ivelany

02-oct-2024

Delestazy lava eny Ankatso II

« Ho avy ny hetsika mahery vaika rehefa marenina ny mpitondra »

Sample post image

Tahaka ireo toerana sy fokontany maro manerana an’Antananarivo sy ny tanàna lalovan’ny tambajotra RIA,

02-oct-2024

dia manamafy ny fitarainany ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo noho ny delestazy mandavan-taona. Mandrahona ny hidina an-dalambe indray ny mpianatra monina eny amin'ny Cité Ankatso II. Nifarana ny alatsinainy 30 septambra 2024 mantsy ny 48 ora natao hifampiresahana, hamahana ny olan'ny fatapahan-jiro lavareny eny amin'ny oniverisite, maharitra hatrany amin'ny ora 3 ny fatapahana, miverina in-telo isan'andro, hoy izy ireo. Eo amin’ny 4ora hatramin’ny 9ora maraina; amin’ny 10 hatramin’ny 2roa atoandro, amin’ny 4 hariva hatramin’ny 9ora alina ny fahatapahana, raha ny fanamarihana, izany hoe : ny androatokom-potoana. Ny resaka fandrahoana sakafo, fanaovana ny boky,… dia olana be. Efa miroso amin’ny famaranana ny taom-pianarana anefa ny anjerimanontolo, ao ny manomana ny fanohanana ny voka-pikarohana,… saingy tsy manam-bahaolana ny manam-pahefana. « Tsy nisy ny vaha olana hatramin'ny androany talata. 48 ora napetraka hifampiresahana sy hiadiana hevitra ary hitadiavana vahaolana. Mafy sofina matoa tsy tonga nihaino, ka tompon’andraikitra amin’izay zavatra mety hiseho eo ny Fanjakana », hoy ireo mpianatra. Nambara fa hetsika madio fa tsy misy ambadika politika araka ny fanatsatsoana sy fanasoketana samihafa no ataon’ireo mpianatra izay nilaza fa hanao hetsika mahery ary miombom-peo ny rehetra. Tsy nanome fotoana sy ny paik'ady moa ireo mpianatra omaly, fa ho avy tampoka ny hetsika hoy izy ireo. Ny eny amin’ny toeram-ponenan’ny mpianatra izay azo sokajiana ho tsy mizaka ny vesatra toy ny fandoavana faktiora aza leo sy tofoka ka mba azon’ny mpitondra an-tsaina ve ny fahatezerana sy fahasorenan’ny vahoaka izay sady mamoaka vola no mbola potika ny asa fihariana maro ?
Toky R
 

Dans la même rubrique