airtel

Any Ivelany

01-sept-2022

Any Ivelany

Depiote Jean Brunelle Razafintsiandraofa “Tsy misy antony tokony nitifiran’ny zandary”

Sample post image

« Tsy manam-pidy ny aina » ary isan’ireo soatoavina maha malagasy ny fitandroana ny aina, hoy ny depiote voafidy tao Ikongo, Jean Brunelle Razafintsiandraofa.

01-sept-2022

Mifampitsinjo sy mifanampy ny samy malagasy fa tsy mifamono, hoy izy. Isan’ny voina lehibe indrindra nahazo ny firenena izao nitranga tany Ikongo izao. Maro be ireo maty ary malagasy tsy manan-tsiny daholo izy ireo. Manoloana ny zava-niseho tao amin’ny distrikan’Ikongo ka nahafaty olona maro dia maro dia miara-ory amin’ireo havana, fianakaviana ary mpiray tanindrazana amiko izay namoy zanaka, raiamandreny, mpiray tampo ary havana. Mirary fahasitranana malaky ihany koa ho an’ireo marary izay mbola miatrika fitsaboana amin’izao fotoana izao. Manameloka tanteraka ny famonoana faobe ireo mpiray tanindrazana. Malagasy ireo novonoina ireo ary na inona na inona antony, tsy mendrika izany ny vahoaka ao Ikongo. Malagasy tahaka anao ihany ny vahoaka ao amin’ny distrikan’Ikongo, mpiray tanindrazana aminao. Saingy isan’ny vahoaka adino foana izahay nandritry ny taona maro ka mba mangataka ny fitondram-panjakana mba handray ny andraikiny ao anatin’ny fotoana malaky amin’izao voina sy fahavoazana lehibe mahazo ny mpiray tanindrazana izao. Amin’ny maha solombavambahoaka ny tenako, heveriko ho adidy ny tsy maintsy anaovana fanadiadina na « enquête parlementaire » mahakasika ity raharaha ity hahafahana mamoaka ny marina rehetra hahafantarana raha nanara-dalàna ny fitifirana ireo mpiray tanindrazana, raha nanaraka ny paikady rehetra lazain’ny lalàna ny fitifirana natao, raha nisy ny baiko nomena ary hahafantarana ny tomponandraikitra nanome izany baiko izany. Hisy ihany koa ny fitarainana ho apetraka eny anivon’ireo sampan-draharaha malagasy na iraisampirenena misahana ny zon’olombelona satria dia hita fa fanitsakitsahana ny zo fototra ananan’ny tsirairay izao vono olona marobe natao izao. Raha ny zavatra fantatra hatreto, tsy nisy porofo afaka hilazana fa nisy « danger imminent » ho an’ireo zandary ireo olona novonoina ireo. Tany ivelan’ny faritra mena izy ireo ary nitodi-damosina ny zandary daholo araka ireo sary miparitaka any anaty tambajotran-tserasera. Tsy misy antony tokony nitifiran’ny zandary azy ireo mihitsy araka izany. Marihiko manokana fa toe-javatra tahaka izao no mahatonga ny mpiray tanindrazana tsy hahatoky intsony ireo mpitandro ny filaminana eto amin’ny firenena. Fotoana izao hijerena sy hanarenana ireo lesoka rehetra mba tsy hiverenan’ny famonoana tahak’izao. Mpitandron’ny filaminana miaro vahoaka no ilain’ny firenena fa tsy sanatria mamono vahoaka, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija 

Dans la même rubrique