airtel

Any Ivelany

17-nov-2022

Any Ivelany

Donald Trump Nanambara ofisialy fa kandida 2024

Sample post image

Vaovao politika isan’ny nanamarika an’I Etazania sy maneran-tany ny nanambaran’ny filoha Amerikanina teo aloha Donald Trump tamin’ny fomba ofisialy ny fitotsahany ho kandida Filoham-pirenena indray amin’ny taona 2024.

17-nov-2022

Tany amin’ny tanànany tany Floride no nanambarany izany omaly tokony ho tamin’ny 5 ora maraina aty amintsika. Fotoana vitsy nialohan’ny fanambarany ny firotsahany no nametrahany ny antontan-taratasiny. “America’s come back starts right now” na “Tafaverina indray I Amerika manomboka izao”, hoy izy, izay naneho fa ahombiazana ny fe-potoana niasany voalohany, nandroso amerika, nilamina sy najaina teo amin’ny sehatry iraisam-pirenena. Nahitsy I Trump naneho fa tsy mila haverina eo amin’ny fitondrana intsony I Joe Biden, endriky ny faharesen’ny antoko ankavia sy ny kolikoly I Joe Biden,… Tsara ny mampahatsiahy, fa izay no Filoha Amerikanina nanomboka ny novambra 2016, resy tamin’ny 2020, izay nanohitra izany, ary nilaza fa feno halatra sy hosoka ny fifidianana. Ho tafapaka any Etazonia ve ny rivotra nitsoaka tany Brezila nahatafaverenan’I Lula Da Silva eo amin’ny Fitondrana na koa ny fahazoan’I Benyamin Nietanyahou laka indray any Israel ?
Toky R
 

Dans la même rubrique