airtel

Any Ivelany

22-sept-2021

Any Ivelany

Emmanuel Macron Tsy namonjy ny fivoriamben’ny ONU

Sample post image

Handefa kabary efa voavoatra mialoha, fa tsy ho avy hanatrika ny fivoriam-be faha-76 eo anivon’ny Firenena Mikambana any Etazonia ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron.

22-sept-2021

 Ny Minisitry ny raharaham-bahiny Jean Yves Le Drian no halefa any. Ny 2005, izany hoe 17 taona lasa tamin’ny andron’I Jacqus Chirac no tsy nisy Filoha Frantsay nandeha nisolo ten any fireneny tamin’ny fivoriamben’ny ONU toy izao satria vao avy narary ny Filoha, ka nandefa ny Praiminisitra Dominique de Villepin. Tsy fantatra mazava ny antony, saingy heverina ho isan’ny nahatezitra ny Frantsay ny raharaha “sous-marins” izay fifanaharana goavan’ny taonjato misy volabe am-polony miliara dolara tokony hiditra amin’izy ireo, saingy nihemotra ny Aostralianina, izay voalaza fa nodrokidrokian’ny Amerikanina.
Toky R
 

Dans la même rubrique