airtel

Any Ivelany

03-nov-2021

Any Ivelany

ETHIOPIE RAIKITRA NY ADY AN-TRANO

Sample post image

Mikorontana sy karazan’ny efa tafiditra ao anatin’ny ady an-trano I Ethiopie amin’izao fotoana izao. Voatery nandray fanapahan-kevitra ny Governemanta tarihin’ny Praiminisitra Abiy Ahmed.

03-nov-2021

Miha mangotraka mantsy ny ady eo amin’ny tafi-panjakana sy ny TPLF (Front de libération du Peuple du Tigré) sokajiana ho mpioko. Mitaky ny fahaleovan-tenany efa tao anatin’ny herintaona mantsy i Tigré izay any amin’ny tapany avaratr’i Ethiopie, ary nisy hatrany ny fifandonana teo amin’ireo mponina sy ny tafi-panjakana. Niha nahazo vahana anefa izy ireo, ka ny 1 novambra teo dia nilaza fa azon’izy ireo ny tanànan’i Dessie, ary an-dàlana ho eo am-pelan-tanany ny any Kombolcha, toerana stratejika any amin’ny 400 km miala an’i Addis-Abeba. Niezaka nandiso ny filazana fa tsy eo an-tànan’izy ireo intsony ny fifehezana ireo tanàn-dehibe ireo ny governemanta. Nanome baiko ny vahoaka handray fitaovam-piadiana hiaro ny tanànany ny manam-pahefana.
TSENAN’NY AGOA
FIRENENA 3 NOSAZIAN’I ETAZONIA
Notsoahin’ny Amerikanina tsy ho ao anatin’ny tsenan’ny AGOA izay fahalalahana ara-barotra ho an’I Afrika ireo firenena Afrikanina 3 tsy milamina dia I Ethiopie, Mali, ary Guinée, ka handalo fankatoavan’ny Kongresy io. Tondroin’izy ireo ho tsy misy antoka amin’ny fanajana zon’olombelona ny Fanjakana any Conakry, izay vao tsy ela no nanongam-panjakana, tsy manaja ny zon’olombelona ny fitondrana ao Mali izay vao avy nanongam-panjakana,… Ny any Ethiopie, dia sokajiana mahery vaika sy manitsakitsaka ny maha olona ary feno rà mandriaka ny fifehezana ny fanoherana any Tigré ary tsy takona hafenina maneran-tany, hoy ny Amerikanina. Tamin’ny fanombohan’ny fitsanganan’ny AGOA, 28 tapitrisa dolara ny fanondranana nataon’I Ethiopie tany amin’ny taona 2000, ary tafiakatra 300 tapitrisa dolara taty amin’ny taona 2020, izay manome ny antsasa-manila eo amin’ny tombotsoa mivantana mifandraika amin’ny varotra miditra amin’ity firenena ity.
COP26 ANY ECOSSE
NOKIANIN’I BIDEN NY TSY FAHATONGAVAN’I XI JINPING
Tena nanao fahadisoana goavam-be ny Filoha sinoa Xi Jinping, izay tsy tonga nanatrika ny fihaonan’ireo firenena 20 matanjaka indrindra na ny G20 tany Rome sy ny COP 26 any Glasgow, hoy ny Filoha Amerikanina Joe Biden omaly. « Mieritreritra aho fa tena fahadisoana goavana ho an’i Chine ny tsy nahatongavana, ary ny Filoha sinoa dia nanary ny herijika ahafahana mampiely foto-kevitra amin’izao tontolo izao », hoy Joe Biden. Misy amin’ireo firenena no misafidy ny teknolojia, fa tsy nankany Glasgow - Ecosse. Firenena 85 eo moa no mifanaiky hampihena 30% mitaha ny 2020 ny famoahana entona « méthane » manimba ny tontolo iainana hatramin’ny 2030.
Toky R

Dans la même rubrique