airtel

Any Ivelany

24-août-2023

Evgeueni Pregojine Lehiben’ny Wagner

Maty 2 volana taorian’ny fikomiany

Sample post image

Maty vokatry ny fianjeran’ny fiaramanidina manokana nitondra azy tany Tver any Rosia omaly 23 aogositra 2023 ny lehiben’ny vondrona Wagner Evegueni Pregojine,

24-août-2023

raha ny vaovao niparitaka teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Olona 10 no voalazafa tao anatin’ilay fiaramanidina izay nampifandray an’i Moscou sy Saint-Petersbourg, saingy io tra-doza io, ka 3 no voalaza fa maty ary anisany i Pregojine. Misy ihany koa ny vaovao nivoy fa notifirina ity fiaramanidina ity. Ny Wagner izay karazana vondrona mitam-piadiana na « paramilitaires » Rosianina, ary manomboka manenika an’i Afrika, mampiasa vola amin’ny politika, harena an-kibon’ny tany,… Isan’ny tena nampiasaina tamin’ny ady tany Ukraine, saingy nisy fotoana toa nikomy tamin’ ny Fanjakana Rosianina tarihin’i Vladimir Poutine 2 volana lasa izay, ka mandeha ihany koa ny fandalinana fa misy ifandraisany tamin’ny fikomiana sy fikasana hanongana na hifandrefy ny fitondram-panjakana Rosianina ity loza ity. Raha ampifandraisina amin’ny zava-misy aty Madagasikara, vao ny 21 aogositra teo no voatonona tamin’ny lahatsoratra an-gazety vahiny iray I Pregojine, izay voalaza fa niditra lalina amin'ny raharaham-pirenena malagasy ny ekipan'ny Wagner izay tarihin'i Evguini Prigojine nampiasa vola tamin’ny resaka fitrandrahana harena an-kibon’ny tany teto, nanohana kandida tamin’ny fifidianana, ary misy ifandraisana tamin’ny fahatrarana ireo fitaovam-piadiana tratran'ny mpiasan'ny Ladoany tatsy La Réunion ny 20 novambra 2022, saika halefa aty Madagasikara, izay nahitana basy P A sy bala marobe ary lance-roquette nafenina tao anaty Buldozzer. Itompokolahy SSM no voalaza fa voasoratra tamin’ny fanafarana ilay buldozzer, Malagasy nianatra tany amin’ny Firaisana Sovietika, efa mpitantana ny Kraoma mining SA izy io. Nodimandry ny 24 jolay teo, izay misy milaza fa fahafatesana tampoka,…
Toky R

 

Dans la même rubrique