Festival teny Analakely
Tontosa tao amin’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo ny 26-27 septambra ny Freedom Festival, hetsika lehibe entin’ny Masoivoho Amerikana ho fanamarihana ny faha-250 taonan’ny fahaleovantenan’i Etazonia. Nanokatra ofisialy sy nitarika izany i Tom Bevan, Mpiandraiki-draharahan’ny Masoivoho, notrononin’ny solontenan’ny Governemanta sy ny Filohan’ny Delegasiona Manokan’ny Tanànan’Antananarivo, Feno Ralambomanana. Nosokafana maimaimpoana ho an’ny besinimaro ny hetsika tao anatin’ny roa andro. “Dimampolo sy roanjato taona lasa izay, vondron’olom-pirenena amerikana tia tanindrazana vitsivitsy no nanova izao tontolo izao tamin’ny fananganana firenena iray nifototra tamin’ny foto-kevitra miaro ny aina sy ny fahalalahana ary ny fikatsahana ny fahasambarana.”, hoy i Tom Bevan. Nohazavainy fa natao ho sehatra fifandraisana ny Freedom Festival, ahafahan’ny Malagasy hifandray amin’ireo Amerikana eto an-toerana, hianatra teny anglisy amin’ny teratany, ary hitsidika fampirantiana momba ny tantara sy ny fanavaozana any Etazonia. Anisan’ny tanjona ihany koa ny hanome vaovao momba ny fiomanana hianatra any Etazonia. Nampahatsiahy io Mpiraki-draharaha Amerikanina io fa tsy ho ela dia hankalazaina ny faha-160 taonan’ny fifanarahana ara-barotra voalohany teo amin’i Etazonia sy Madagasikara, nosoniavina tamin’ny taona 1867. Nisy ny fampirantiana manokana mikasika io tantara iombonana io nandritra ny festival. Naneho fankasitrahana ny Masoivoho Amerikana ny Governemanta Malagasy noho ny fiaraha-miasa matanjaka. Nankasitrahana ihany koa ireo orinasa amerikana, mpaninjara vokatra Made in USA, mpivarotra sakafo amerikana, ary ireo mpianatra sy matihanina Malagasy nandray anjara tamin’ny fandaharanasa fifanakalozana.
Toky R