airtel

Any Ivelany

20-févr-2023

Any Ivelany

Fama Razafimahazo “Ampy izay fitakiana an-tsoratra sy am-bava izay”

Sample post image

Nasainay anio avokoa, hoy ny sekretera jeneraly lefitry ny SSM na Valaben’ny sendika eto Madagasikara, Fama Razafimahazo,

20-févr-2023

ireo herim-pamokarana eto amin’ny firenena, izany hoe ny mpiasa eto Madagasikara, tetsy Antsahamanitra ny sabotsy teo. Na ny sehatra tsy miankina na miankina amin’ny fanjakana, ny miahy tena, isan-karazany, hoy izy. Ny olana mitranga dia nandefa taratasy fanambarana izahay taorian’ny 30 novambra 2022 mikasika ny hoe ireto ny olan’ny mpiasa ka mila vahana. Isan’izany amin’ny sehatra miankina amin’ny fanjakana ny fitondrana ilay SGAP na “Statut général des agents publiques” izay ohatran’ny henohenoin’ny fanjakana fotsiny nefa takianay ny fampidirana azy io ho ao amin’ny fivoriana voalohan’ny parlemanta amin’ity taona ity. Karazany 13 izy ao. Ampy izay fitakiana an-tsoratra sy am-bava izay ary fangatahana fihaonana izay. Tanteraho amin’ny alalan’ny asa amin’izay ny fangatahanay, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique