airtel

Any Ivelany

06-oct-2026

Fampisehoana

maro hahatsiarovana an’i Johnny Hallyday

Sample post image

Isan’ireo 4 voafantina amin’ny

06-oct-2026

500 voix pour Johnny » i Anisha Jo
Mivelatra hatrany amin’ny sehatra avo lenta i Anisha Jo eo amin’ny tontolon’ny mozika any Lafrantsa. Taorian’ny fahombiazany sy ireo fampisehoana maro nataony tato anatin’ny taona vitsivitsy, hiatrika fanamby vaovao indray ity mpanakanto Malagasy, mpandresin’ny Star Academy ity. Voafantina handray anjara amin’ny « 500 voix pour Johnny », hetsika lehibe hanamarihana ny folo taona nahalasanan’i Johnny Hallyday, iray amin’ireo olo-malaza indrindra teo amin’ny tantaran’ny mozika frantsay. Tsy ho irery anefa i Anisha mandritra izany fitetezam-paritra izany, fa hiara-hizara ny lampihazo aminy ireo mpanakanto malaza toa an-dry Charles Doré, Cécilia Pascal ary Marco Lena. Izy efatra ireo no hitana ny anjara toerana fototra amin’ny fiangaliana ireo hira nampalaza an’i Johnny Hallyday, miaraka amin’ny antoko mpihira an-jatony maro sy tarika mpitendry mozika mivantana isaky ny tanàna haleha. Mahatratra 29 ny daty voalahatra amin’ity fitetezam-paritra ity manerana an’i Frantsa. Efa mahasarika ny sain’ny mpankafy sahady ny fampisehoana kasaina hatao ao amin’ny Accor Arena any Paris ny 27 jona 2027, izay heverina ho isan’ireo fotoana lehibe indrindra amin’ity tetikasa ity. Raha an’ny maro dia fampisehoana goavana fotsiny izy ity, saingy ho an’i Anisha Jo kosa dia misy dikany lalina kokoa. Hatramin’ny fahatanorany no efa naheno sy nihaino matetika ny hiran’i Johnny Hallyday izy, hoy ny fampahatsiahivana iray. Tao anatin’ny tontolo nahabe azy no nisy hatrany ireo rakikira sy tononkira navelan’ilay mpanjakan’ny rock frantsay, ka lasa nahaforona ampahany tamin’ny fahazazany sy ny fitiavany mozika izany. Nambarany fa tsy ny lazany ihany no nanaitra azy fa indrindra ny fomba fihiran’i Johnny, ny herin’ny feony ary ilay hakingana sy hafanam-po nasehony teny an-tsehatra. Toetra maro izay mbola mametraka azy ho anisan’ireo mpanakanto tsy mora hadinoina hatramin’izao. Manamarika dingana vaovao eo amin’ny diany ara-javakanto izao fandraisana anjara amin’ny « 500 voix pour Johnny » izao. Vao tsy ela akory moa izy no niakatra teo amin’ny kianja Stade de France nandritra ny fitsidihan’ny Papa Léon XIV, ary ankehitriny dia efa miomana indray hihaona amin’ireo mpankafy mozika manerana an’i Frantsa amin’ny alalan’ny hira nankafiziny hatramin’ny fahazanany,... Porofo hatrany itony fa mahay sy misongadina ny Malagasy!
Toky R
 

Dans la même rubrique