airtel

Any Ivelany

06-juil-2026

Fandevenana an’i Ali Khamenei

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

Sample post image

Ao anatin’ny lanonam-pandevenana

06-juil-2026

an’i Ali Khamenei, Guide Suprême izay maty novonoin’ny Amerikanina sy Israelianina ny 28 febroary 2026 ny any Iran. Mbola mitohy hatramin’ny 9 Jolay 2026 io, izay lasa toe-javatra mampihetsika ity firenena ity iray manontolo. Tombanana ho olona an-tapitrisa maro no nandray anjara, hatramin’ny 20 tapitrisa no voamarina fa tonga ao Tehéran sy tanàna masina hafa, ary mety mbola hihoatra lavitra izany. Tsy fombafomba ara-pivavahana fotsiny ity lanonana ity fa manana endrika soatoavina goavana ara-stratejika, manambara fa na dia maty aza ny mpitarika dia mbola mitohy ny rafitra sy ny fahefana ao amin’ny Repoblika Islamika. Ny fametrahana farany azy ao Mashhad, tanàna masina sy toerana nahaterahan’i Khamenei, dia manome lanja ara-pinoana lalina sy anehoan’ny Iranianina ny firaisankininy. Solontena avy amin’ny firenena 30 mahery no tonga, saingy tsy nasaina ny firenena eoropeana izay heverin’izy ireo fa nanohana ny ady, famantarana mazava fa mbola mitohy ny fifandrahonana ara-diplaomatika. Eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, mbola marefo ny fifandraisana, mitohy ny fifandrahonan’i Iran sy Etazonia. Nisy fifampiresahana tany Doha tamin’ny 1 Jolay nifantoka tamin’ny Detroit d’Hormuz sy famotsorana vola giazana, nisy fandrosoana kely tamin’ny lafiny teknika saingy tsy mbola nisy vokatra lehibe. Voafaritra fa hatao amin’ny 11 Jolay any Pakistan ny fifampiresahana manaraka, hifantoka amin’ny sazy, fanokafana ny seranan-tsambo, ary ny fandaharan’asa nokleary. Na dia eo aza izany, mbola mitohy ny fifandrahonana sy ny fidarohana baomba: hatramin’ny nanombohan’ny ady tamin’ny 28 Febroary dia mihoatra ny 6 000 lasibatra no voadaroka tao Iran, ary tamin’ny volana Jolay mbola nisy fanafihana sambo sy fidarohana baomba tao amin’ny faritra Hormuz sy tanàna stratejika. Sambo miaramila sy ara-barotra maro no voadaroka, ary mbola mitohy ny ady an-kalamanjana amin’i Hezbollah sy Israely. Mbola mitaky fanekena i Iran fa izy no mifehy ny Detroit d’Hormuz ary manomana hanangona hetra amin’ny sambo amin’ny volana Aogositra, izay mety hiteraka krizy ara-toekarena sy ara-enerjia maneran-tany.
Nangon’i Toky R

 

Dans la même rubrique