Antenimierampirenena Frantsay omaly 15 jolay 2026 ny lalàna mikasika ny famelana ny safidy ho faty amin’ny alalan’ny famonoana angatahana amin’ny mpitsabo na ny « euthanasie » taorian’ny dingana lava an-taonany maro. Manome zo amin’ny “aide à mourir” ho an’ny marary manana aretina tsy azo sitranina sy mijaly mafy, saingy voafetra amin’ny fepetra hentitra io. Naneho ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron, fa ny lalàna vaovao momba ny « euthanasie » dia mariky ny “fijery mivantana ny fahafatesana”, ary isan’ny entiny mampiakatra ny lanjany ara-politika io. Tamin’ny voalohany, nisalasala i Macron, tsy te-hisarika adihevitra ara-pivavahana sy ara-tsosialy, ary nandritra ny taona maro dia nihevitra fa ampy ny Lalàna Claeys-Leonetti (2016). Tamin’ny 2024 anefa, nilaza fa “miatrika ny fahafatesana mivantana isika”, nanokatra ny làlana ho amin’ny fananganana lalàna vaovao. Ny Antenimierampirenena no nandrafitra sy nandray ny lalàna taorian’ny fandavana in-telo nataon’ny Antenimierandoholona, ary omaly 15 Jolay 2026 dia nankatoavina tamin’ny fivoriana farany. Ny adihevitra dia niteraka tsy fitovian-kevitra lehibe: ny mpomba azy milaza fa “voalanjalanja sy voaaro” ny lalàna, manome safidy ho an’ny marary amin’ny toe-javatra tena mafy, raha manizingizina kosa ny mpanohitra fa tsy ampy ny “garde-fous” ka mety hitarika amin’ny fanararaotana sy fangatahana noho ny tsy fisian’ny fitsaboana « palliative. » na fitsaboana fikarakarana manokana ho an’ireo manana aretina mafy sy mety hahafaty. Ny fifandirana dia nifantoka tamin’ny fetran’ny fahafahan’ny olona misafidy ny fahafatesana, ny fanamarinana ny fahaleovan-tenan’ny fanapahan-kevitra, ary ny fiarovana ny marefo amin’ny fakam-paniriana hifidy ny fahafatesana. Misy fepetra maro: tsy maintsy +18 taona, tsy maintsy teratany frantsay, zo voafetra ho an’ny marary manana “aretina mafy sy tsy azo sitranina” ary “fijaliana tsy mitsaha-mitohy”, fanamarinana ara-pitsaboana izay miantoka fa afaka miditra amin’ny fitsaboana palliative ny marary raha mangataka, ary lalàna manokana momba ny fidirana mitovy amin’ny « soins palliatifs » izay nankatoavina tamin’ny 26 Mey 2026. Fanohanana ara-bola lehibe ihany koa no natokana, 5,5 miliara euro hatramin’ny 2034 (+60%), ho fanamafisana ny fitsaboana « palliative ».
MIANDRY FAMPIHARANA…
Na dia efa vita aza ny dingana ara-parlementera, tsy mbola mihatra avy hatrany ny lalàna: mila asiana sonia sy havoaka amin’ny Journal Officiel izy vao manan-kery, ary mbola miandry ny didy fampiharana na « décrets d’application » izay mamaritra ny fomba fanao sy ny rafitra hanaraha-maso. Midika izany fa tsy ho azo ampiharina amin’ny marary raha tsy efa nivoaka ny didy fampiharana sy ny rafitra manohana azy. Amin’ny ankapobeny, ny “modèle français de la fin de vie” dia miezaka mampifandanja ny zo sy ny fiarovana: manome safidy amin’ny « euthanasie », saingy tsy ho lasa zo tsy misy fepetra. Mbola mangotraka ny adihevitra…
Toky R