ho fahatsiarovana ny Fanambarana Schuman natao tamin’ny 9 mey 1950. Ity hetsika ity dia entina hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeanina, izay sady mpiara-miombon’antoka ara-barotra sy mpampiasa vola lehibe eto amin’ny firenena. Amin’ny alalan’ny tetikady Global Gateway, miaraka amin’ireo firenena mpikambana toa an’i Frantsa sy Alemaina, dia tanterahina amin’ny fomba iombonana antsoina hoe “Équipe Europe” ny fanohanana an’i Madagasikara ho amin’ny fampandrosoana maharitra. Ao anatin’ny fandaharam-potoana dia hisy atrikasa momba ny fanovana ara-toekarena sy ny fepetra miditra amin’ny tsena eoropeanina, lanonana manokana ho an’ireo nahazo vatsim-pianarana Erasmus+, fampirantiana sy fanazavana momba ireo tetikasa tohanan’ny Vondrona Eoropeanina eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ary fankalazana manetriketrika ny faha-75 taona nanambarana an’i Schuman. Ireo hetsika ireo dia natao hanamafisana ny fifanakalozana ara-kolontsaina sy ara-tsiansa eo amin’i Madagasikara sy i Eoropa. Mifantoka amin’ny tanjona telo lehibe ny hetsika Équipe Europe: ny Pacte Vert ho fiarovana ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary, ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina ho an’ny ho avy madio sy maharitra, ary ny fampiasam-bola amin’ny tanora amin’ny alalan’ny fanabeazana sy ny asa ho an’ny taranaka ho avy. Ireo laharam-pahamehana ireo dia singa fototra entina mampandroso an’i Madagasikara amin’ny fomba mirindra sy mitohy.
Asmynah Randriamananjara (Mpiana-draharaha)
Herinandro taorian’ny fahavakian’ny fifandiran’ny Filoha Amerikanina sy ilay mpanefoefo Elon Musk
Nitranga ny lozam-piaramanidina nahafatesana olona be indrindra tao Inde