Feno 247 taona androany 04 jolay 2023 ny fahaleovantenan’I Etazonia, isan’ireo zanantany Britanika tamin’ny fotoan’androny. Ny 4 jolay 1776 izay fotoana nanekena ny lalàmpanorenana Amerikanina no niaingany, na dia ny 17 septambra 1787 aza no tena nosoniavina ofisialy ny lalàmpanorenany. Izy no firenena matanjaka indrindra eto ambonin’ny tany hatreto. Mitazona hatrany ny laharana voalohany amin’ny tanjaka ara-toekarena, mamokatra ny 20%n’ny harena eto ambonin’ny tany, mahatratra hatrany amin’ny 15000 miliara dolara ny harin-kareny na PIB. Isan’ny manamarika ity firenena matanjaka indrindra eto ambonin’ny tany ity ny fananana lalàmpanorenana tsy miovaova fa fanintsiana no atao raha misy zavatra tsy maintsy kitihina. Miisa 46 ireo Filoha nitondra hatrizay, kanefa hatramin’ny nanasoniavana azy, dia 27 teo ny fanintsiana nisy, izay tsy maintsy ny 2/3n’ny mpikambana eo anivon’ny Kongresy Amerikanina no mandany azy. Ny lalàmpanorenana no lalàna farantampony mitondra sy mibaiko, ary azo lazaina ho mafy orina indrindra eto ambonin’ny tany ny lalàmpanorenana Amerikanina, ary antony iray mampipetraka hatrany ny fahamarinan-toerany. Raha mandray ohatra sy manao fampitahana, ny 14 jolay 1789 izay fetim-pirenena Frantsay no nisian’ny “Prise de la Bastille” tany Frantsa, izay nanamarika ny Revolisionina Frantsay, nanonganana ny Fanjakana Andriamanjaka, ka nidirana tamin’ny Repoblika. Efa Repoblika faha-5 izao I Lafrantsa, izay midika fa nisy hatrany ny fiovana. Nahay nifandamina, ary fitaratra amin’ny lafiny demokrasia, mametraka ho ambony ny tombotsoan’ny fireneny na demokraty na Repoblikanina no mitondra. Ho antsika eto Madagasikara kosa, 63 taona no nahazoana ny fahaleovantena, efa Repoblika faha-4 isika izao, sasatry ny manova sy manitsy lalàmpanorenana sy lalàna mba hifanaraka amin’ny tombotsoa politikan’izay mitondra eo, tahaka ny tamin’ny 2010 izay notefena amin’izay maha metimety ny Filohan’ny tetezamita, toy ny taonan’ny olona afaka mirotsaka hofidiana. Firifiry ny fandikana lalàmpanorenana nandeha, fa mahita hialana bala hatrany. Ny Profesora Zafy Albert hatrany hatreto no tratry ny fanaisorana tamin’ny toerany na “empêchement” ny taona 1996. Ankehitriny, io adihevitra io izao ny fizakan’ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina ny zom-pirenena vahiny izay voalaza fa nandika lalàna sy lalàmpanorenana, saingy tadiavina izay fomba rehetra hiarovana azy, eny mitady ho tonga hatrany amin’ny fanovana lalàna aza. Lany andro amin’ny kajikajy politika isika, lany andro amin’ny adilahy, lany fotoana amin’ny ady seza, toa mbola tsy tena firenena na “nation” fa Fanjakana na “Etat”, hany ka marefo hatrany tsy mety misy fahamarinan-toerana.
Toky R