airtel

Any Ivelany

04-mars-2022

Any Ivelany

Fiantraikan’ny raharaha Okrainina - Rosia Tokony hitondra fanazavana ny minisitry ny angovo

Sample post image

Manomboka miha mafy indray ankehitriny ny fahatapahan-jiro lavareny na delestazy. Ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo moa ombay mitady hatrany hanazava ny antony sy ny vahaolana efa omanin’ny fitondram-panjakana momba izany

04-mars-2022

. Tsy dia any amin’izay resaka manodidina ny orinasa Jiro sy rano Malagasy izay ihany loatra koa anefa no tena andrasana aminy amin’izao fotoana izao. Iny efa marolafy ny fanazavana nomeny, izay raha fehezina izany dia hoe miandalana ny fanamboarana. Misy tosika eo amin’ny lafiny angovo mila hatsaraina. Mety hiteraka fahatapahan’ny herinaratra koa ny tsy fahatomombanana eo amin’ny lafiny toetr’andro sy ny resaka hafa marobe fa andrasana koa ankehitriny ny fanehoan-kevitr’ity minisitra ity mikasika ny mety ho fiantraikan’ity fifandonana eo amin’ny firenena Okrainianina miaraka amin’ny vondrona ara-tafika OTAN sy ny rosianina ity.
HISONDRO-BIDY
Hiakatra ny vidin’ireo vokatra ara-tsolitany toy ny solitany, mazava ho azy, ny solika, ny lasantsy sy ny hafa rehetra, raha ny famakafakan’ireo mpahaitoekarena. Efa mivonona amin’ny fepetra tokony ho raisina, indrindra, ny vahaolana amin’izany ve ny fitondrana Malagasy amin’ny alalan’ity minisiteran’ny angovo sy akoran’afo ity? Mbola ho tafiditra anatin’izany ihany koa io resaka famatsiana herinaratra io. Sanatria hiha mafy noho izay efa mafy indrindra nandalo ve ny delestazy sa inona no vahaolana efa voahomana ka antony tsy hitenenana aloha hatreto ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique