airtel

Any Ivelany

06-août-2021

Any Ivelany

FIARA ANY ETAZONIA HO ELETRIKA SY HYBRIDE NY 50% HATRAMIN’NY 2030

Sample post image

Mirona betsaka any amin’ny tontolon’ny Indostria maitso ny Filoha Amerikanina Joe Biden. Ho an’ny famokarana fiarakodia,

06-août-2021

dia mametraka politika izy mba ny 50% amin’ny fiara hamidy any Etazonia dia ho fiara elektrika na Hybride avokoa manomboka izao hatramin’ny 2030. Fepetra raisina eo anatrehan’ny tsindry ara-tontolo iainana mahazo ny planeta tany ka isan’ny mpamotika be indrindra ny firenena Indostrialy toa an’I Etazonia. Manery mafy amin’ny hironana amin’izany ihany koa anefa ny tsenan’ny fifaninanana maneran-tany ho an’ny famokaraka fiara. Ny hazakazaka eo amin’ny tontolon’ny fiara, dia hazakazaka ho amin’ny ho avy, hoy I Joe Biden omaly 05 aogositra nandritra ny fanasoniavana ny didim-panjakana mametraka io politika momba ny famokarana fiara tsy mandoto loatra ny tontolo iainana io.

ANGLETERRE
FOANA NY FIHIBOHANA HO AN’NY FRANTSAY VITA VAKSINY
Nanambara ny governanta Britanika fa foana manomboka ny alahady ho avy izao ny fepetra tsy maintsy hampihibohana 10 andro ireo mpandeha avy any Frantsa miditra any aminy, izay nosokajian’ny Frantsay ho fanavakavahana. Ireo olona voamarina fa vita vaksiny ihany anefa no afaka misitraka izany, hoy ny any Londres. Sokajian’ny Britanika ho ao anatin’ny lisitra volomboasary I Frantsa “metropolitane”, raha ka anaty lisitra mena kosa ireo mpandeha avy atsy La Réunion. Ho an’ny Amerikanina, dia mbola misy ireo firenena Eoropeanina hanakatonany sisin-tany, saingy nisy ny fanambarana ny alarobia teo dia nanambara izy ireo, fa mihevitra ny hanokatra tanteraka amin’ny sisin-taniny ho an’ireo olona vita vaksiny tanteraka. Isan’ny efa mampihatra ny “passeport vaccinal” ny any New York. Saika efa mivoy io fepetra fahavitana vaksiny io ny firenena maro.

LALAO OLAIMPIKA
Namaky atody amin’ny fahazoana medaly ny Byrkinabe omaly amin’ny lalao olaimpika. Nandrombaka ny medaly alimo tamin’ny “trile saut” I Fabrice Zango, izay nanoratra tantara voalohany ho an’I Burkina Faso teo amin’ny tantaran’ny lalao olaimpika. Teratany Portioge Pedro Pichardo sy Sinoa Yaming Zhu no nahazo ny medaly volamena sy medaly volafotsy, ary fahatelo I Zango. Ho an’ny 4x100m kosa dia sambany hanao famaranana ihany koa ny Ganeanina amin’ny alalan’I Benjamin Azamati sy ekipany izay teo amin’ny laharana faha-5 no nisy azy ireo teo amin’ny fifanintsanana. Sambany teo amin’ny tantara nanomboka ny taona 1996 izany ho an-dry zareo Ganeanina.
Toky R

 

Dans la même rubrique