airtel

Any Ivelany

15-févr-2023

Any Ivelany

Fifanarahana tamin’ny Rothschild Inona no vokatra 15 volana katroka aty aoriana ?

Sample post image

Tapitra anio 15 febroary 2023 ny fifanarahana 15 volana azo havaozina teo amin’ny Fitondrana Rajoelina sy ny Cabinet Rothschild & Co,

15-févr-2023

izay notapahana sy nampahafantarina ofisialy ny 10 novambra 2021 tao anatin’ny filankevitry ny minisitra. Nanomboka ny 15 novambra 2021 hatramin'ny anio 15 febroary 2023 ny fotoam-piasana miaraka amin’i Madagasikara natolotr’ity kabinetra ity. Nolazaina tamin’izany fa ny traikefa ananany dia tena ilaina amin'ny famaritana ny paikady ara-bola mety ho an’i Madagasikara amin’ny fanohanana azy amin’ireo dingana rehetra amin’ny fifampiraharanana ara-bola. Nambara ho fiomanana amin’ny fidirana amin'ny famatsiam-bola indray ny rafitry ny renivolan’i Air Madagascar sy fitadiavana mpampiasa vola Ny serasera natao dia toa fiaingana vaovaon’ny PEM (Plan Emergence Madagascar) ka asa hoe: manao ahoana ny vokatra 15 volana aty aoriana? Nambara mantsy fa hanampy amin’ny paikadin’I Madagasikara amin’ny alalan’ny resa-bola fonds propres sy/na trosa fitadiavana famatsiam-bola ho an’ireo tetikasa laharam-pahamehana ao anatin’ny drafitra fampandrosoana an’i Madagasikara na PEM,.. Noventesina ihany koa afaka mangataka amin’ny Rothschild amin’ny sehatra hafa toy ny famaritana ny rafitra "macro-fiscal”, ny fanomanana ny drafi-pampandrosoana nasionaly, ny toro-hevitra mampandroso amin’ny filaharana "Ease of doing Business sy ny OECD (Organisation for Economic Cooperation and Development) ny Fanjakana Malagasy. 15 volana aty aoriana, andrasana ny tatitra sy tombana mazava, fa raha tarafina amin’ny zava-misy aloha dia tsy nahomby io. Porofo mivaingana ihany koa fa poakaty ilay IEM tany amin’ny propangady izay nolazaina fa efa vonona amin’ny lafiny rehetra: mpamatsy vola, mpiara-miombon’antoka,… Matoa niantso vonjy tamin’ny Rothscild dia tsy nahomby ary basy tsy mipoaka ny paikady sy ny ambara fa fahavonona tamin’ny lafiny rehetra. Tapitra ny 15 volana ka nanao ahoana ny vokatra, nahita vola, famatsiam-bola ? Raha nahomby, naninona no sahirana ka nampitsahatra ny fanamboarana fotodrafitr'asa fa hoe: hirona kokoa amin’ny sosialy? Raha ny zava-misy aloha dia mijanona ho poakaty na miato aloha ny ankamaroan’ireo tetikasa goavana nampanantenaina toy ny flyover, autoroute makany Imeritsiatosika, autoroute mankany Toamasina izay mbola betsaka no tsy mazava, fotodrafitrasa handraisana ny lalaon’ny Nosy eny amin’ny Tanamasoandro.
Toky R
 

Dans la même rubrique