airtel

Any Ivelany

17-mars-2025

Fifandiran’i Etazonia sy Afrika Atsimo

Miha mangotraka, noroahina ny Ambasadaoron’i Pretoria

Sample post image

Miha mangotraka ny fifandirana eo amin’i Etazonia sy ny governemanta Afrikanina Atsimo.

17-mars-2025

Nanapa-kevitra handroaka ny ambasadaoron’i Pretoria any Washington ny Fitondran’i Donald Trump. « Tsy mendrika an’ity firenena lehibe ity intsony ny ambasadaoron’i Afrika Atsimo eto Etazonia », hoy ny Sekreteram-panjakana Amerikanina Marco Rubio tao amin’ny amin’ny tambajotra X ny zoma 14 martsa teo. « Ebrahim Rasool dia mpanao politika mpanavakavaka izay mankahala an’i Amerika sy ny filoha Trump. Tsy manana resaka atao aminy izahay, ka dia sokajianay ho « persona non grata » izy. », hoy hatrany i Marco Rubio. Fanapahan-kevitra tafiditra ao anatin’ny fifandirana efa mafana eo amin’ny firenena roa tonta io. Enina herinandro talohan’izay, nanapa-kevitra i Donald Trump hanasazy ny governemantan’i Cyril Ramaphosa, ka nanafoana tamin’ny fomba ofisialy ny fanampiana amerikana ho an’i Afrika Atsimo. Nilaza izy fa « ny lalàna vaovao momba ny fananan-tany ao amin’io firenena io dia manitsakitsaka ny zon’olombelona indrindra ireo fotsy fihodirana vitsy an’isa », araka ny tatitry ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena. Nanamafy i Trump fa « mamela ny fakàna tany tsy misy onitra io fanavaozana io, ka manala ny tanim-pambolena an’ny vitsy an’isa fotsy hoditra », izay noheveriny ho « lasibatry ny fanavakavahana tsy ara-drariny ». Mafy ny fanoheran’i Pretoria an’io fanapahan-kevitra io. « Tsy naka tanin’iza na iza ny governemanta afrikanina tatsimo », hoy i filoha Ramaphosa namaly. Ankoatra izay, marihina fa i Afrika Atsimo dia efa nametraka fitoriana an’i Israely noho ny ambaran’izy ireo fa vonomoka na « genocide» any Gaza teo anoloan’ny Fitsarana Heloka Bevava Iraisam-pirenena (CPI). Namoaka didy fampisamborana iraisam-pirenena ilay fitsarana tamin’ny novambra 2024, nanohitra an’i Benjamin Netanyahu, praiminisitra israeliana izay naman’ny filoha amerikana faha-47, Donald Trump. Noho izany, tamin’ny 6 febroary, dia nanambara sazy hanohitra ny CPI i Trump.

Isan’ny mampihenjana an’i Etazonia ny resaka fakana ny tanin’ireo vitsy an’isa ao Afrika Atsimo fa mba mety fanontaniana azo hapetraka mikasika ny eto amintsika ihany koa ny hoe : mba manao ahoana tokoa izany ny raharaha tetikasa Base Toliara izay orinasa Amerikanina dia ny Energy Fuels no nividy sy hanohy azy eo anatrehan’ny mbola fisiana andiana vahoaka maneho fa misy fakana ny taniny tsy ara-drariny sy fikitikitihana ny toeram-pivelomany ?
Toky R


 

Dans la même rubrique