airtel

Any Ivelany

21-avril-2021

Any Ivelany

FIFIDIANANA ANY ALLEMAGNE ARMIN LASCHET NO HISOLO AN’I MERKEL

Sample post image

I Armin Laschet no kandida ofisialin’ny Antoko Kaonservatera CDU (Union Chrétienne Démocrate)

21-avril-2021

 

 hifaninana handimby ny toeran’I Angela Merkel amin’ny fifidianana hatao ny 26 septambra. I Merkel izay tsy hirotsaka intsony aty amin’ny 16 taona naha chancelière azy, ary adihevitra be tao amin’ny antoko Kaonservatera hoe: iza no kandida hasolo azy? Niala an-daharana I Markus Söder ny minisitre-président an’I Bavière, izay nanaiky ny fahareseny amin’ny savaranonando ka hanohana an’I Armin Laschet. 60 taona I Armin Laschet, ary Filohan’ny CDU nanomboka ny janoary teo. Nahazo ny fanohanan’ny maro an’isa ao amin’ny komity mpanatanteraky ny antoko taorian’ny fivoriana 6ora be izao ny alatsinainy alina teo. Nianatra manokana momba ny lalàna I Laschet, ary lasa mpanao gazety taty aoriana.

Dans la même rubrique