airtel

Any Ivelany

12-avril-2022

Any Ivelany

FITAZONNANA FITAOVAM PIASIANA NOHAMAFISINA NY LALANA ANY ETAZONIA

Sample post image

Namoaka didim-panjakana hiadiana amin’ny fitaovam-piadiana miparitaka tsy fantatra mazava ny momba azy na fitaovam-piadiana matoatoa “fantômes”

12-avril-2022

noho ny tsy fisian’ny laharana na “numéro de série” ny Filoha Amerikanina Joe Biden. Isan’ny fepetra noraisina ny fampitoviana ny lalàna momba ireo fitaovam-piadiana efa simba nakana piesy ho tahaka an’ireo basy azo vidiana eny amin’ny fividianana azy. Tsy maintsy raisin’ireo mpivarotra an’ireo piesy ny momba ireo mpividy, ary asiana laharana. Mba hanamorana momba ny loharanon’ny fitaovam-piadiana, tsy maintsy manana ny rejisitry ny basy ireo “négociants d’armes” manana ny fahazoan-dàlana federaly,… Manasarotra ny fahafahana mitazona basy indrindra ho an’ireo olon-dratsy izany tsy nisy fahazoan-dàlana io, ary voalaza fa maherin’ny 45000 amin’izao ireo fitaovam-piadiana matoatoa efa tsikaritra. Atao io hampihenana ny fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna izay tena mandrakotra ny fiarahamonina. Ny taona 2016, nahatratra 45240 ireo fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna novokarin’ny tsy miankina, izay raha ampitoviana amin’ny aty amintsika, dia tahaka ireny basy vita gasy ireny. 
CHAMPION’S LEAGUE 
HO MAFY NY ADIN’I CHELSEA SY BAYERN ANIO
 Hiditra amin’ny lalao ampahefa-dàlana miverina i Chelsea sy Real de Madrid anio ho an’ny Champion’s League Eoropeanina. Henjana ny miandry ny anglisy izay tompondaka farany satria hanafika any amin’ny Santiago Bernabeu. Hilalao ao an-kianjany ry Benzema sy ry Vinicius, izay efa naharesy 3-1 tamin’ny lalao mandroso. Tsy maintsy hiady mafy anefa I Chelsea, ary azony atao ny manantena fandresena satria vao tsy ela no nomontsanin’I Barcelone tao an-jaridainany nny Real izay mitarika amin’ny elanelan’isa ao anatin’ny Ligga ankehitriny. Ho an’ny lalao faharoa kosa, handray an’I Villareal I Bayern de Munich, izay mila miady mafy ihany koa satria resy tamin’ny lalao mandroso ny Alema. Rahampitso kosa, hanafika an’I Atletico Madrid I Manchester City izay nandresy 1-0 tamin’ny lalao mandroso saingy mbola henjana ny miandry azy satria tsy maintsy hanao izay faraheriny hitady fandresena ry Suarez. Tombanana ho efa mazava kosa ny làlan’I Liverpool, izay handray an’I Benfica rahampitso. Efa nandresy 3-1 ny anglisy tamin’ny lalao mandroso. 
Toky R

 

 

Dans la même rubrique