airtel

Any Ivelany

26-janv-2021

Any Ivelany

FRANCK LAMPARD NOROAHIN’NY CHELSEA TSY HO MPANAZATRA INTSONY

Sample post image

Ny volana jolay 2019 no niverina tao Chelsea i Lampard ka nanazatra ity Kliobany fahiny,

26-janv-2021

 

 

 saingy nesorina omaly noho ny vokatra ratsy azon’ny Chelsea ao anatin’ny fifaninanan’ny Premier Ligue satria laharana faha-9 izy ireo amin’izao. Nandany 200 tapitrisa euros ity Klioba Londoniens ity tamin’ny fividianana an’I Harvertz, Chilwell, Werner, ary Ziyech saingy tsy araka ny nantenaina ny vokatra. Ilay mpanazatra ny PSG Thomas Tuchel izay nesorina ny 24 desambra teo no voalaza hatreto fa hasolo an’i Lampard. Ity mpilalaony teo aloha ity no mpanazatra faha-14 noroahan’ilay teratany Rosiana Roman Abramovich izay tompon'ny Chelsea Football club ity hatramin’izay nividianany ny Klioba tamin’ny 2003.

Dans la même rubrique