airtel

Any Ivelany

25-avril-2022

Any Ivelany

Frantsa Ho mafy kokoa ny fanoherana an’i Macron

Sample post image

Lany ho Filoham-pirenena Frantsay fanindroany I Emmanuel Macron. Tontosa omaly alahady 24 aprily ny fihodinana faharoa izay nifananandrinan’ity Kandidan’ny La République en Marche ity tamin’I Marine Le Pen avy amin’ny

25-avril-2022

Rassemblement National Rtoa Marine Le Pen. Nivoaka nandresy tamin’ny isa 58,2% I Macron ary 41,8% kosa ny an’i Le Pen, raha ny vokatra vonjimaika. Nisy fivoarana ny isan-jaton’ny vato azon’I Le Pen izay efa nifanandrina tamin’I Macron tamin’ny 2027 satria 66,10%-33,90% no azon’ny roa tonta tamin’izany. Raha 10 tapitrisa ny elanelam-bato tamin’izany, dia manodidina ny 5 tapitrisa tamin’ity. Ny 2012 moa izy no nirotsaka ho kandida voalohany, la nahazo 17,90% tsy nahafahany niatrika fiodinana faharoa. 28% ny tahan’ny tsy fahatogavana tamin’ity, izay nihoatra 2,5% mitaha ny tamin’ny 2017 (25,44%). Hangotraka kokoa ny fanoherana any Frantsa, ary sambany no nahazo salan’isa 41,8% izany ny hery ankavanana teo amin’ny tantara.Tamin’ny kabariny omaly, tsy naneho fiarahabana an’i Macron i Le Pen, ary naneho tamin’ny ampahan-teniny fa tsy hahavita na inona na inona amin’ny fanarenana ny fahapotehan’ny fireneny i Macron. Hanohy ny finiavako ho an’i Frantsa aho aho ary ny Frantsay miaraka amin’ny faharetana izay fantatrareo tsara, hoy izy. Nambaran’i Le Pen fa naneho ny fametrahana ny fifandanjan-kery (Contre-pouvoir) hanoherana an’i Macron ny Frantsay,… Atombontsika androany ny ady goavana ho an’ny fifidianana solombavambahoaka, hoy i Marine Le Pen. Ny 12 jona izao ny fifidianana depiote.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique