airtel

Any Ivelany

12-mai-2022

Any Ivelany

FRANTSA NAHENA HATRANY NY FATRANA ENTANA AMIDY

Sample post image

Miha mahoraka hatrany ny antsoina hoe “Réduflation” na fomba fanenana ny fatra na habetsaky ny entana amidy eny an-tsena ao Frantsa ao amin’izao fotoana izao.

12-mai-2022

Izany hoe tsy mihena ny vidin’ilay entana fa ny fatrany kosa no hanalan’ireo mpivarotra na mpandraharaha. Fomba iray nanomboka nihanaka hatramin’iny fiandohan’iny volana aprily iny izy io, raha ny fanazavan’ireo mpahaivarotra ao an-toerana, ary isan’ny antony maha ela ny fidangan’ny vidim-piainana ihany koa. Tsy mijanona ao Frantsa irery fa efa manomboka miparitaka ao Eoropa mihitsy ity karazana rafitra ara-barotra ifehezana ny vidim-piainana ity, raha ny akom-baovao hatrany.
TETEZAN’I DOLNI
TETEZANA AMBONY FIANTONANA INDRINDRA
Ny tetezan’i Dolni ao Morava, Repoblika Tchèque no tetezana ambony fiantonana indrindra eto ambonin’ny tany. Izy io dia mirefy 721 metatra. Manana haavo hatrany amin’ny 95 metatra kosa.Tsy natao ho an’ny olona saro-tahotra ary efa misy filazana manokana mihitsy mialohan’ny hidirana amin’ity tetezana ity.Fotodrafitrasa anisan’ny tena manintona mpizahatany izy ity, eny fa na dia hhaka sary indray mipika fotsiny aza; misy mantsy ireo olona tsy sahy miampita hatramin’ny farany ny tetezan’i Dolni.
 

 

Dans la même rubrique