airtel

Any Ivelany

06-sept-2021

Any Ivelany

GUINÉE CONAKRY NAONGAN’NY MIARAMILA NY FILOHA ALPHA CONDÉ

Sample post image

Nosamborin’ny miaramila notarihin’ny Lieutnant Colonel Mamadi Doumbouya lehiben'ny GPS (Groupement des Forces Spéciales) andian-tafika manokana ao Guinée Conakry ny Filoha Alpha Condé

06-sept-2021

 izay 83 taona, nitondra nanomboka tamin'ny 2010. Nirefodrefotra ny basy aman-tafotra tao amin’ny Lapam-panjakana. Legionnaire frantsay teo aloha I Mamadi Doumbouya. Efa nampiahiahy ny ministeran'ny fiarovana izy tao ho ao, ary efa saika nosamborina, saingy io nanongam-panjakana io. Namana akaikin'i Kolonely Assimi Goita, Filohan'ny tetezamita izay nandrombaka fahefana in-droa ny 2020 sy ny may 2021 teo tao Mali i Mamady Doumbouya, niaraka nanao fanazaran-tena tamin'ny hery vonjy taitra miady amin'ny fampihorohoroana. "Mitotongana ny fiainam-pirenena, maro ireo halatra eo amin'ny volam-panjakana, midangana ny vidim-piainana efa tsy araky ny vahoaka gineanina”, hoy izy. Natsahatra ny Lalampanorenana, rava ny governemanta, nakatona ny sisin-tany, nitsangana ny CNRD (Comité national du rassemblement et du développement).

BRESIL≠ARGENTINE
VAO NANOMBOKA 5 MINITRA DIA RAVA NY BAOLINA
Rava maina raha vao nanomboka 5 minitra monja ny lalao baolina kitra nifanandrinan’I Brésil sy Argentine omaly 5 septambra tany Sao Polo, tafiditra amin’ny fifanintsanana hiakarana amin’ny “Mondial 2022”. Mpilalao Argentins milalao any Angleterre miisa 4 dia I Emiliano Buendia (Aston Villa), Giovanni Lo Celso (Tottenham), Emiliano Martinez (Aston Villa) ary Cristian Romero (Tottenham). Fepetra ara-pahasalamana apetraky ny Brezilianina ny fihibohana 14 andro ho an’ireo olona avy any Angleterre vao afaka miditra ao aminy, saingy voalaza fa nanao filazana hosoka ny Argentin tamin’ireto mpilalao ireto. Ao anatin’ny lisitra menan’I Brésil ny olona avy any Angleterre, Afrika Atsimo, Inde,… nanomboka ny 23 jona. Tsy nanaiky ny manam-pahefana Brezilianina, niala an-kianja ihany koa ny Argentin tsy nanaiky ny namany hoesorina. Rava ny tsena teo amin’ny ekipan’I Neymar sy Messi.
AFROBASKET 2021
VOATAZON’I TUNISIE NY MAHA TOMPONDAKA AZY
Voatazon’ny ekipam-pirenena Toniziana ny anaram-boninahitra tompondakan’I Afrika amin’ny “Afrobasket”, izay nifarana omaly 5 septambra tany Kigali Rwanda. Resin’izy ireo tamin’ny elanelan’isa 3 monja ny Ivorianina satria 78-75 ny isa nisarahana. Mitana ny laharana fahatelo kosa I Sénégal izay nararak’I Côte d’Ivoire tamin’ny manasa-dàlana, izay nandresy an’I Cap Vert 86-73. Ny Cap Verdien moa no nanao manasa-dàlana tamin’I Tunisie. Anaram-boninahitra fahatelo maha tompondakan’I Afrika azon’I Tunisie io taorian’ny 2011 sy 2017.
Toky R
 

Dans la même rubrique