airtel

Any Ivelany

30-juil-2021

Any Ivelany

GUINÉE EQUATORIALE SY FRANTSA MIFANDRAMATRA NOHO NY RESAKA FIANDRIANANA

Sample post image

Angidim-by iray an’ny tafika Frantsay nipetraka tao amin’ny tanànan’I Bata, tanàn-dehibe faharoa any Guinée ny alarobia teo. Tsy navelan’ny manam-pahefana hihetsika io, ary nosamborina ireo miaramila 6 tao anatiny.

30-juil-2021

 Namoaka fanambarana ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika any Guinée fa manana alalana ilay angidim-by, saingy tsy mifanaraka amin’ny “immatriculation” voasoratra…. “Fanohintohinana ny fiandrianan’ny firenena satria fiaramanidin’ny tafika”, hoy izy. Nanambara kosa i Kolonely Pascal Ianni Mpitondra tenin’ny tafika Frantsay omaly, fa tao anatin’ny fanatanterahana iraka niainga tany Douala ho any Libreville io fiaramanidina io, tsy nisy fitaovam-piadiana, ary hanao solika no nijanonany. Heverin’ny Frantsay fa misy ifandraisany amin’ny fanenjehana an’i Teodorin Obiang Nguema zanaky ny Filohan’i Guinée nomelohina amina raharaha famotsiam-bola 150 tapitrisa euros tany Frantsa io
LALAO OLAIMPIKA
ATLETA AFRIKANINA 14 NAILIKA
Atleta miisa 20, ka 14 Afrikanina avokoa no nahilika tsy afaka mandray anjara ho an’ny taranja atletisma mandritra ny lalao olaimpika Tokyo 2020 tanterahina any Japon. 36ora mialohan’ny fanombohan’ny fifaninanana no nirotsaka io fanapahan-kevitra io ka tsy fanajana ny fitsipika momba ny fitsirihana amin’ny tsy fihinana fanafody mampatanjaka no anton’io. Tafiditra ao anatin’ireo firenena lasibatra tamin’io I Ethiopie iray, Kenya roa, Maro iray, ary indrindra I Nigeria, izay miisa 10 ireo atleta nambara fa tsy afa-mandray anjara. Manampy irao ny atleta Bielorusse 3 ary telo ihany koa ny solontenan’I Ukraine. Tsy nanao ny fitsirihana 3 momba ny tsy fandraisana fanafody mampatanjaka hatao ivelan’ny fifaninana tao anatin’ny 10 volana, izay takianny World Athletics ireo atleta ireo. Nanao antso avo I Chioma Onyekwere tompondakan’I Afrika amin’ny fanipazana disika, isan’ny voakasika voalohany, fa tsy fahadisoana avy amin’ny atleta izao.

LA REUNION
HIHIBOKA FARAN’NY HERINANDRO
Hiverina amin’ny fihibohana faran’ny herinandro ny atsy amin’ny Nosy La Réunion. Hanamfy ny “couvre-feu” amin’ny 6ora hariva hatramin’ny 5ora maraina. Hapetraka mandritra ny faran’ny herinandro mandritra ny roa herinandro io. Ho an’ny tontolo andro, dia voafetra ho 10 km miala ny toeram-ponenana ihany no azo hivoahana ho an’ny alatsinainy ka hatramin’ny sabotsy, ary mihena ho 5km io, raha ny fanambaran’ny Préfet ao La Réunion Jacques Billant. Mahatratra 37 231 ny tranga hatrizay tany La Réunion, ary 275 ny maty hatrizay.
Toky R
 

Dans la même rubrique