airtel

Any Ivelany

27-mai-2025

Hafa ny an'ny vazaha ka !

Teha-maina no sangisangin'i Brigitte sy Emmanuel

Sample post image

Niparitaka manerana an'izao tontolo izao ny horonatsary ahitana ny filoha frantsay

27-mai-2025

Emmanuel Macron voafetaky ny tehamaina nataon'ny vadiny Brigitte Macron. Tany Hanoi, renivohitr'i Vietnam no nitrangan'ny tantara. Rehefa nigadona teo amin'ny tarmac ny fiaramanidin'ny repoblika frantsay dia napetaka ny tohotohotra,nisokatra ny varavaran'ny fiaramanidina.Tazana ny filoha frantsay, nijoro tsara ; tampoka teo nisy tanana nipetaka teny amin'ny takolak'i prezda Macron. Tena hita ho taitra izy ary niezaka niala sy nanakana kely ihany ilay tanana. Efa mazava ve fa tanan'i Brigitte Macron ilay izy dia niparitaka haingana be ilay horonantsary sy sary. Resaka sy adihevitra be , ny vaovao ofisialy avy ao amin'ny lapam-panjakana Elysée no nilaza fa hoe sangisangy fanaon'ny mpivady ireny. Niteny toa izany ihany koa ireo olona akaiky ny filoha frantsay. Nisy resaka fohy nataon'i Emmanuel Macron tamin'ny mpanao gazety avy eo nanazavany fa tsy tokony itarina be ny tranga tahaka ireny sy ny sary na horonantsary tato ho ato mahakasika azy. Tafiditra tao anatin'izany ilay rantsan-tanany noporetin'ny filoha Turque ka tsy tafahetsika elaela teo. Dia tahaka ireny izany ny sangisangin'izy mivady ireto hoy ny mpijery, tampoka eo tonga dia mahazo tehamaina. Izay aloha no hita fa asa izay mitranga rehefa any ambadika any. Tsy olon-tsotra fa olo-malaza, manampahefana, filohan'ny firenena ao anatin'ireo 10 matanjaka indrindra maneran-tany, firenena nalaza tamin'ny ady sy ny fanjanahan-tany an-jato taonany maro izany lafrantsa izany tarihin'i Emmanuel Macron izany ka tsy atao mahagaga raha nitarika resabe ilay tehamaina sangisangy nataon'i Birizity taminy. Dia hafa ny sangisangin-bazaha ka !
RTT

 

Dans la même rubrique