Mamely mafy any Eoropa ny hafanana mahery vaika na « canicule », izay mitondra voka-dratsy mavesatra eo amin’ny fiainana andavanandro, fahasalamana, toekarena,... Araka ny tatitry ny Rafitra Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS), mihoatra ny 1 300 ny olona efa namoy ny ainy noho ny hafanana tafahoatra, ary an’arivony no niditra hopitaly noho ny aretin’ny fo sy ny fahasemporana. Maro ny firenena nahatratra mari-pana tsy mbola nisy hatrizay. Tany Frantsa, niakatra hatrany amin’ny 44,6 °C, tany Alemaina sy Repoblika Tcheka nahatratra 41 °C, ary tany Italia sy Espaina dia nisy maripana mihoatra ny 39 °C hatramin’ny volana mey teo. Antony lehibe ny antsoina hoe « dôme de chaleur », tsindry ambony nitazona rivotra mafana avy any Afrika Avaratra sy Mediterane, ary ny fiovaovan’ny toetrandro izay efa mampiakatra ny hafanan’ny tany hatrany. Raha ny tarehimarika, Eoropa no faritra mafana haingana indrindra eran-tany, efa niakatra 2,5 °C hatramin’ny vanim-potoana indostrialy, ary ny hafanana isan-taona dia mitombo, ary tsy mitsaha-mitombo. Any Italia, nihena be ny rano tao amin’ny renirano Pô ka mampanahy ny fahapotehan’ny vokatra ara-pambolena; any Frantsa, tonga hatrany amin’ny fahatapahan-jiro sy fipoahan’ny transformateur; ary amin’ny sehatra ara-pahasalamana dia feno ny hôpitaly ary nitombo hatramin’ny 40 % ny fahafatesana an-trano. Tsy vitan’ny fahafatesana sy ny aretina ihany fa biby fiompy an-jatony sy an’arivony maty noho ny tsy fahampian-drano sy ny hafanana. Ity tranga ity dia manaporofo fa tsy misy firenena voaaro amin’ny fiovaovan’ny toetrandro, ary mampiseho ny filàna maika ny fepetra fanalefahana sy fanamboarana: fanamafisana ny tambajotra herinaratra, fanohanana ny sehatra ara-pahasalamana, ary fanavaozana ny fomba fambolena sy fitantanana ny rano, fa indrindra ny politika mahomby ara-tontolo iainana sy ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Lasa famantarana mazava ny Canicule, fa mila mihetsika haingana i Eoropa amin’ny fiarovana ny olombelona sy ny toekarena amin’ny fiovaovan’ny toetrandro. Lasa endrika krizy lalina mamely an’i Eoropa ity toe-javatra ity ankoatra ny ambana maro.
Toky R