Manandratra ny mozika Malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Niu Raza, izay voatendry amin’ny handray anjara amin’ny hetsika Boston Music Awards 2026, sokajy Afro/Caribbean Artist of the Year. Anisan’ny fifaninanana hafa handraisan’ity mpihira, mpamoron-kira ary mpamokatra mozika anjara amin’ity taona ity ihany koa ny New England Music Awards sy ny Afromada Music Awards. Taorian’ny asa mafy nandritra ny 10 taona mahery, dia maneho ny hafaliany i Niu Raza noho ny fahazoan’ny mozikany fankasitrahana bebe kokoa hatrany. Tsy mijanona ho azy irery izany fa ho an’ny firenena Malagasy manontolo mihitsy. Miantso ireo diaspora Malagasy monina any Etazonia ny tenany mba handray anjara amin’ny fifidianana. Mitohy hatramin’ny 16 Novambra ho avy izao izany ary natokana ho an’ny mponina any Etazonia irery ihany.
Nangonin’i Pati
Legende : I Niu Raza, anisan’ireo mpanankato sy mpamoron-kira manandratra avo ny voninahitr’i Madagasikara !