airtel

Any Ivelany

23-juin-2022

Any Ivelany

HOROHORON-TANY MAHERY VAIKA OLONA 1000 MATY TANY AFGHANISTAN

Sample post image

Mahatratra 1000 ireo namoy ny ainy vokatry ny horohoron-tany mahery vaika niseho tany Afghanistana. Tany amin’ny tapany Atsimon’ity firenena ity no nisehoan’io, izay nahatratra 5,9 richter.

23-juin-2022

Faritra misy ny havoana mitantadahatra any Hindu Kush no isan’ny tena tratran’ity horohoron-tany ity, ka nahatonga ny fahavoazana nahery vaika kokoa. Mponina hatrany amin’ny 119 tapitrisa no naheno ny fisian’ity horohoron-tany ity, tany Afghanistan, Inde,.. Tany amin’ny faritra misy ny fitohizan’ny « plaques tectoniques » « eurasienne » sy « indienne » moa no nitohizany. Miantso vonjy sy fanampiana hanavotra ireo olona izay mbola tototra sy voatsindrin’ny trano ny manam-pahefana Afghan satria mbola manodidina ny 600 ny olona karohina. Manao antso vonjy eo anatrehan’ny krizy momba ny maha olona ny mpitondra satria ny fanampiana iraisam-pirenena no tena ianteherana. Ny Talibans izay nandrombaka ny fahefana taorian’ny fialan’ny tafika Amerikanina moa no mitantana an’ity firenena ity nanomboka ny aogositra 2021.

SADIO MANE
HILALAO 3 TAONA AO AMIN’NY BAYERN DE MUNICH
Ofisialy ny fifindran’ilay kintan’ny baolina kitra Sénégalais Sadio Mané any amin’ny Bayern de Munich any Allemagne taorian’ny fandaozany ny Klioba Anglisy FC Liverpool. Tontosa omaly ny fifanarahana teo amin’i Mané sy ity klioba matanjaka indrindra any Allemagne ity. 40 tapitrisa euros ny sandan’ny nifindrany, ary haharitra 3 taona izany hoe : hatramin’ny 2025 ny fifanarahan’i Mané sy ny Bayern. 30 taona i Sadio Mané ankehitriny, nahavita taom-pilalaovana 6 tao amin’ny Liverpool izy ka isan’ny fahatsiarovana ratsy ho azy ny nandresen’i Real de Madrid azy ireo tamin’ny famaranan’ny Ligue des champions farany teo. Mbola nisy herintaona ambiny ny fifanarahany tamin’ny Reds saingy nisafidy ny handeha nialohan’ny fotoana ity mpilalao Sénégalais izay tompon’ny amboaran’ny CAN farany teo ity. « Fanamby vaovao! Te hanao zavatra maro ato amin’ity klioba ity aho, iza Eoropa ihany. Nandritra ny fivahiniako tao Salzbourd, nijery lalaon’ny Bayern maro aho, tena tiako ity klioba ity”, hoy i Sadio Mané.
Toky R

 

Dans la même rubrique