airtel

Any Ivelany

20-mai-2022

Any Ivelany

IDRISSA GUEYE NANDA NY FANAMIANA “ARC EN CIEL” MARO IREO OLO-MALAZA MANOHANA AZY

Sample post image

Lasa resabe ny tsy fiakaran’ilay mpilalao baolina kitra senegaley, Idrissa Gueye, kianja nandritry ny lalao nataon’ny ekipany dia ny PSG ny alarobia teo noho ny tsy fanekeny hisalotra ny fanamiana Avana na “arc en ciel”

20-mai-2022

ho fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny LGBT, izany hoe ny fanekena ny fiarahan’ny mitovy fananahana sy fanekena ihany koa ny fanovana ho lehilahy na vehivavy. Miandry ny fanazavana avy amin’ity mpilalao ity moa ny UEFA na ny federasionina eoropeanina. Etsy ankilany kosa dia manohana azy ireo olo-malaza sy manamboninahitra maro toy ny filoham-pirenena senegaley, Macky Sall, sy ilay mpanao Rap Bouba.
MONDIAL QATAR 2022
HISY MPITSARA AFOVOANY 3 MIRAHAVAVY
Sambany hisy vehivavy hitsara ny fiadiana ny amboara eran-tanin’ny baolina kitra, sokajy lehilahy, hatramin'ny taona 1930 nisian’ny andiany voalohany. Hanan-tantara iny fanapahan-kevitry ny federasionina iraisam-pirenena na FIFA iny. Telo mirahavavy izy ireo no ho any Qatar dia i Stéphanie Frappart (Frantsa), Yoshimi Yamashita (Japon) ary Salima Mukansanga (Rwanda).
Nangonin’i J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique