airtel

Any Ivelany

21-avril-2021

Any Ivelany

INFANTINO FILOHAN’NY FIFA NANDRAHONA IREO MIKETRIKA NY “SUPER LEAGUE”

Sample post image

Tsy misy fisalasana kely akory, fa ny FIFA dia mandà marindrano sy amin’ny fomba hentitra ny fikasan’ny klioba goavana 12 hanangana ny “Super league

21-avril-2021

 Eoropeanina”, hoy ny Filohan’ny Fifa Gianni Infantino omaly talata. “Tsy maintsy hizaka ny vokany” ireo minia manao izany, raha ny nambarany. Na mivoaka na miditra, fa tsy aza misabaka, hoy I Infantino izay nanamafy ny hanesorana ireo klioba sy mpilalao mandray anjara amin’io tsy ho ao anatin’ny fifaninana nasionaly sy iraisam-pirenena. Mety ho kihon-dàlana goavana amin’ny baolina kitra maneran-tany io zava-misy any Eoropa io, izay ambaran’ny mpandinika fa fanonganam-panjakana ara-panatanjahantena hoenti-manohitra ny Politika maloton’ny FIFA sy ny UEFA. Mety manana ny kajiny sy ny politika avo lentany ihany koa ireo Mpanefoefo tompona klioba.

Dans la même rubrique