eo amin’ny fitantanana an’i Iran i Israël sy Etazonia ?», hoy ny fanontanian’ny fampalalam-baovao lehibe Tandrefana omaly. Araka ny tatitra navoakan’ny New York Times, dia voalaza fa nanomana drafitra hamerenana an’i Mahmoud Ahmadinejad eo amin’ny fitondrana ao Iran taorian’ny famongorana ny ankamaroan’ny mpitondra ankehitriny Israël sy Etazonia. Drafitra nipoitra taorian’ny fanafihana nahafaty an’i Ali Khamenei sy ireo manampahefana ambony hafa tamin’ny volana febroary, ka Donald Trump nilaza fa tokony ho tafiditra amin’ny safidin’ny mpitarika vaovao. Raha toa ka maro no nihevitra fa mety ho Reza Pahlavi, zanaky ny Shah taloha na ny mpanjaka farany, dia nivoaka ny anaran’i Ahmadinejad, izay fantatra tamin’ny fanoherany an’i Israely sy Etazonia. Ny tatitra dia nilaza fa efa nampahafantarina an’i Ahmadinejad ny drafitra, saingy tsy naharitra ela satria tamin’ny andro voalohan’ny ady dia voa tamin’ny fanafihana ny tranony tao Narmak izy, ka naratra mafy ary voalaza fa maty, saingy nisy fandisoana haingana. Ny mpiambina azy avy amin’ny Tafika Revolisionera dia matin’ny fanafihana natao izay voalaza fa hanavotana azy. Hatramin’izay dia tsy fantatra mazava ny toerana sy ny toe-pahasalamany. Ny gazety The Atlantic dia nitatitra fa nisy “fanafahana” nitranga, ary nilaza ny loharanom-baovao fa ny Amerikana dia nahita an’i Ahmadinejad ho afaka mitantana ny raharaha politika sy ara-miaramila ao Iran. Na izany aza, mbola fantatra amin’ny fanehoan-kevitra mahery vaika sy ny fanoherana an’i Israely izy, toy ny filazany tamin’ny 2005 fa tokony “hanjavona amin’ny pejin’ny tantara” ny fanjakana hebreo, hoy ny fampahatsiahivan’ny France 24. Nandritra ny fitondrany teo anelanelan’ny 2005 sy 2013 dia nampiroborobo ny programa nokleary izy, niteraka fifandirana sy sazy maro avy amin’ny tandrefana. Fantatra ihany koa izy tamin’ny fanamafisana ny fanoherana ny tandrefana sy ny fanehoan-kevitra manohitra ny zon’olombelona. Ny fifidianana 2009 dia niteraka hetsika goavana “Mouvement vert” izay namaly tamin’ny famoretana henjana nataon’ny fitondrana. Stratejika amin’ny toe-draharaha iraisam-pirenena io ka andrasana ny fivoarany.
Toky R