airtel

Any Ivelany

04-mars-2024

Kaominin’Ambohimasina

«Inoana fa ho feno hazo ny 70% afaka 5 taona»

Sample post image

Vinan’ny fitondram-panjakana ny fanamaitsoana ny tontolo eto Madagasikara,

04-mars-2024

hoy ny ben’ny tanànan’Ambohimasina, Aimé Rakotoaribesa. Isany ny kaominin’Ambohimasina, hoy izy. Efa nanao ezaka ihany ny kaominina, raha resaka fambolen-kazo. Nividy voan-janakazo nozaraina tamin’ireo mponina nazoto handray anjara tamin’izany izahay ny taona 2022. Nanana fiaraha-miasa tamina fikambanana iray kosa izahay eto amin’ny distrikan’Arivonimamo manontolo nanomboka ny taona 2023. Nozaraina voan-janakazo ny mponina rehetra mihitsy ary manomboka mamboly izany izahay ankehitriny. Inoana fa ho feno hazo ny 70%n’ny kaominin’Ambohimasina afaka 5 taona. Izay no faniriana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique