airtel

Any Ivelany

14-févr-2022

Any Ivelany

KRIZIN’I UKRAINE MBOLA SAROTRA HITA NY VAHAOLANA

Sample post image

Mbola mafana hatreto ny fifanolan’i Rosia sy ireo firenena tandrefana momba ny toe-draharaha ao Ukraine.Efa nihaona tamin’ny filoha Rosiana Vladimir Poutine ny filoha Frantsay Emmanuel Macron,

14-févr-2022

nifampiresaka an-telefaonina i Joe Biden filoha Amerikana sy Vladimir Poutine .Efa nihaona ihany koa ny Chancelier Alemana sy ny filoha Amerikana.Ny minisitry ny raharaham-bahiny Rosiana efa nifampidinika tamin’ny sekreteram-panjakana Amerikanina sy ny avy ao amin’ny vondrona eoropeana, saingy tsy misy hatreto aloha ny vahaolana. Manahy mafy ny Amerikana fa tena hanafika an’i Ukraine ny tafika Rosiana ary mety daroka baomba ataon’ireo fiaramanidina miady no hanombohana izany raha ny vinavinan’ny Amerikana.Mitohy hatrany ny resaka ara-diplaomatika saingy mitady ho resaky ny moana sy ny marenina.Ny fitobiana miaramila Rosiana 100 000 amin’ny sisin-tanin’i Ukraine moa no nahatonga izao krizy izao ; nanampy izay dia mbola nanomboka sarin’ady miaraka amin’i Bielorussie ihany ka ny Rosiana.Mamiahiahy ny Eoropeana tandrefana sy ny Amerikana izany fihetsiketsehana rehetra izany.

« PASSE VACCINAL »
MIHA MAHAZO VAHANA NY FANOHERANA AZY ANY CANADA
2600 hatreto ny contravention nozarain’ny polisy Kanadianina tamin’ny mpitondra kamiao manao fihetsiketsehana ho fanoherana ny “passé vaccinal”.Nanenjana ny fanarahamaso moa ny fanjakana any an-toerana mba hanamarinana hoe vita vaksiny ve sa tsia ireo mpitondra kamiao avy any Etazonnia miditra any Canada.Io no niatombohan’ny olana, aza teriterena izahay hoy ireo mitondra kamiao.15 andro izao no nitokona tao Ottawa izy ireo ary mbola tonga indray ny olona mmaro nanatevin-daharana ny hetsika nanomboka ny sabotsy lasa teo. Manomboka misy akony amin’ny fiainan’ny mponina andavanandro ny hetsika.Efa niitatra any Frantsa sy Nouvelle Zelande ihany koa ity hetsika fanoherana ny “passe vaccinal” ity.Ny tany moa Frantsa tonga dia niditra an-tsehatra nanaparitaka ireo mpanao fihetsiketsehana saika hiditra tao Paris ny mpitandro filaminana ka olona 97 no nosamborina satria tsy nahazoana alalana avy amin’ny prefektiora ny diabe saika natao.

 

 

Dans la même rubrique