Mangotraka ny toe-draharaha any Frantsa! Niainga ho fitakiana ara-tsosialy sy ara-toekarena, saingy niafara tamin’ny rotaka ny fihetsiketsehana goavana, fandrobana, fandorana, fifandonana,... Tanàna maro no voakasik’izany, ka anisan’ny tena nahitana fahavoazana lehibe ny tao Limoges, Marseille ary Lyon. Teo am-pamaranana ireo diabe sy famoriam-bahoaka notarihin’ny sendika ny sabotsy teo nahitana ny mpianatra, vondrona mpikatroka isan-karazany, dia nivadika ho rotaka ny toe-draharaha tamin’ny toerana maro. Nisy ny fandorana tranom-panjakana, fandrobana fivarotana ary fifandonana mivantana tamin’ny mpitandro filaminana. Tany Limoges, nirehitra ny Lapan’ny Tanàna manan-tantara, notokanana tamin’ny taona 1883 ary heverina ho iray amin’ireo vakoka ara-javakanto manan-danja indrindra ao an-tanàna. Mbola nisy olom-boafidy, mpiasan’ny kaominina ary polisy monisipaly tao anatiny, saingy mba tsy nisy naninona. Tao Marseille, nisy vondrona mpanao fihetsiketsehana niditra an-keriny tao amin’ny lapan’ny tanàna, raha nirehitra ny biraon’ny fizahantany tao Lyon. Fivarotana entana lafo vidy maro no voaroba tamin’ny tanan-dehibe maro, isan’izany ireo marika malaza toa an’i Celine, Louis Vuitton ary Pyrenex. Voakasika ireo mpivarotra sakafo sy toeram-pivarotana madinika manamorona arabe. Nisy trano fisakafoanana sy toeram-pandraharahana nirehitra, ka isan’ny voakitika ny McDonald’s tao amin’ireo toerana nisy ny korontana. Nambara fa maro ireo mpanararaotra nanararaotra ny korontana. Voaroba ireo toeram-pivarotana zavatra lafo vidy toy ny poketra manara-penitra, ranomanitra lafo vidy, akanjo sy kojakoja maro,… Araka ny tarehimarika navoaka taorian’ny hetsika dia olona maherin’ny 1 200 no nosamborin’ny polisy manerana an’i Frantsa, raha mpitandro filaminana manodidina ny 150 kosa no naratra nandritra ireo fifandonana. Tombanan’ny fanjakana ho 550 000 ny isan’ny olona nandray anjara tamin’ny fihetsiketsehana, saingy nilaza kosa ny sendika CGT fa nahatratra 800 000 izany.
KRIZY SOSIALY SY TOEKARENA
Ny tena fitakiana dia ny fampihenana ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny vidin-tsolika izay mampitombo hatrany ny fahasahiranan’ny tokantrano frantsay. Nitaky fanatsarana ny tontolon’ny fampianarana sy ny fitaovana ampiasain’ny mpianatra ihany koa ireo mpanao fihetsiketsehana, ary niantso ny governemanta hampiakatra ny karama sy ny fisotroan-dronono mba hifanaraka amin’ny fiakaran’ny vidin-javatra. Tao anatin’ny volana maro, nihamafy ny tsy fahafaham-pon’ny vahoaka manoloana ny fidangan’ny saram-piainana, ny fahasarotan’ny fitadiavam-bola ary ny fahatsapan’ny maro fa mihena ny kalitaon’ny tolotra omen’ny fanjakana. Nilaza moa ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron, fa tsy misy toerana ho an’ny herisetra ao anatin’ny demokrasia, ary tsy azo ekena ny fandrobana sy ny fanimbana fananam-bahoaka na fananana manokana, ka hokarohina sy hosaziana ireo olona rehetra voarohirohy. Mafampana any Lafrantsa, henjana ny tsindry ho an'ny Fanjakana Macron, izay mety ho voatohintohina hatramin'ny politikam-panjakana Frantsay amin'ny fanohanana an'i Ukraine amin'ny ady kanefa ny ao anatiny mangotraka.
Toky R