airtel

Any Ivelany

09-août-2021

Any Ivelany

LALAO OLAIMPIKA ANY FRANTSA INDRAY AMIN’NY 2024

Sample post image

Nifarana tanteraka omaly 8 aogositra ny lalao olaimpika notanterahina tany Japon nanomboka ny 13 jolay. Ny medaly volamena mamaritra ny filaharana ny filaharana ka voalohany I Etazonia nahazo 39

09-août-2021

 raha toa ka 113 ny medaly rehetra azon’izy ireo (39 volamena, volafotsy 41, alimo 33), faharoa I Chine nahazo volamena 38, raha toa ka 88 ny medaly rehetra azon’izy ireo ka medaly volafotsy 32 sy alimo 18 no manamy ireo volamena azony. Teo amin’ny laharana fahatelo kosa ry zareo Japonais izay medaly volamena 27 miampy volafotsy 14 sy alimo 17 no azony izany hoe 58. Mitana ny laharana faha-4 kosa I Grande Bretagne (volamena 22, volafotsy 21, alimo 22). Tany amin’ny laharana faha-8 kosa ny Frantsay (volamena 10, volafotsy 12, alimo 11). Any Paris no handray ny lalao olaimpika manaraka amin’ny 2024, ary natolotra an-dry zareo Frantsay omaly ny saina olaimpika.

LIONEL MESSI
NANDAO AN-DRANOMASO AN’I BARÇA
Tamin-dranomaso no nanambaran’I Lionel Messi ary nangidy indrindra tamin’ny fiainany ny nandaozany ny FC Barcelone omaly. Mbola aneho izy fa naniry ny hijanonana, saingy ny fepetra napetraky ny Liga no sakana. Nanolo-kevitra ny hampihenana 50% ny karamako aho, ary efa nanao izay azoko natao, hoy I Messi, teo am-panaovana veloma ny kliobany, 20 taona mahery aty aoriana. Tsy mahazo mihoatra ny 70% amin’ny renivolan’ny klioba ny karaman’ny mpilalao, saingy amin’izao dia 95% izany ho an’ny Barça, ary miakatra 110% raha mbola miampy an’I Messi, hoy ny Filohan’ny klioba Joan Laporta. Nandrasana omaly ny fahatongavany tao Paris hihazo ny PSG, saingy tsy mbola tonga I Messi.
AFGHANISTAN
MANDRAVARAVA NY TALIBANS
Nangotraka ny fifandonana teo amin’ny tafi-panjakana sy ny Talibans omaly tany Afghanistan, tao amin’ny renivohi-paritanin’I Kunduz, any avaratra. Potika ity tanàn-dehibe ity misy mponina 300 000 ity. Henjana ny fipoahana, maro ny fiara kila forehitra, namoaka gadra maro ny talibans, nitsoaka tany amin’ny seranam-piaramanidina ny mpitandro filaminana,… Hanjakan’ny Talibans ihany koa ny any Sar-e-Pul any avaratra-andrefana, ny any Taloqan any amin’ny faritanin’I Takhar. Ny sabotsy lasa teo, dia efa azon’izy ireo ihany koa ny tanàna lehibe any Sheberghan Renivohitr’I Jawzjan any avaratra. Isan’ny mampahazo vahana ny Talibans ny fialan’ny tafika Amerikanina. Taorian’ny asa fampihorohoroana ny 11 septambra 2001 fony I George W. Bush Filohan’I Etazonia no nanomboka nandefasana miaramila an’hetsiny tany Afghanistan, ka 7000 eo ny miaramila Amerikanina efa maty tany, ary 52 000 ny naratra hatrizay.
Toky R
 

Dans la même rubrique