Anisan'ny loza goavana sy mahatsiravina indrindra eran-dany ny loza mitranga any Népal Firenena kely any Asie anelanelan'i Inde sy Tibet, nanomboka tamin’ny 26 Aogositra 2026, vokatry ny fianjeran’ny ranomandry Langtang Lirung tao Himalaya. Niteraka fikorontanan'ny tany sy horohoron-tany, ary tondra-drano tampoka izany, indrindra ho an'ny distrikan’i Rasuwa sy Nuwakot. Ny fianjeran’ny ranomandry sy vatolampy no niteraka horohoron-tany Ms 5.2, voarakitra tamin’ny sismograph maneran-tany. Midika fa mifandray amin’ny fiovan’ny toetrandro sy ny fahalemen’ny rafitra ara-tontolo iainana any Himalaya ny tranga. Raha ny tantara, tany amin'ny 1934 dia efa nisy horohoron-tany nahafatesana olona 8519 tany Népal, tondra-drano nahafatesana olona betsaka indrindra izay nahafaty 1336 ny taona 1993, ny horohoron-tany Gorkha nahafatesana olona manodidina ny 9000,... ary ity tranga mahatsiravina efa nahafatesana 900 mahery ity.
FATY OLONA TSY ROA AMAN-TANY
Tafakatra 903 ny maty hatramin'ny omaly tany Népal, ary mahatratra 4 247 ny olona nanjavona, ary 1 473 ny maratra. 16 kosa ny maty tany Tibet, ary 546 tsy hita popoka. Tena mampivarahontsana ny fisokirana sy fanangonana ireo faty izay misy tanana na tongony na loha na vatana no tsiponina sy angonina any Népal. Ny vatan’olona sasany dia nentin’ny rano hatrany India, ka mbola atao "Test DNA" ny famantarana azy.
FAHAPOTEHANA ARA-MATERIALY SY TOEKARENA
Tetezana 19 sy lalambe 40 km lalambe rava miampy sekoly, toeram-pitsaboana, trano fonenana maro potika. Tetikasa goavana toy ny "Hydropower projects" lasibatra : 11 tetikasa simba, 933 mpiasa sarona tao anaty tunnels. Famokarana herinaratra 700 MW very, manome amin’ny 10% ny fahafahan’i Népal ara-angovo. Ho an'ny sehatry ny varotra sy fizahantany: potika ny Gyirong Port, toerana stratejika amin’ny fifanakalozana sy fivahinianana. Tany maro no voasaron’ny fotaka sy rano. Ny loza dia mampiseho ny ambana avy amin’ny glacier Himalaya sy ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetrandro. Tombanana ho 200 miliara rúpia nepale (USD 1,3 miliara) ny fatiantoka ara-bola sy ara-toekarena, mety hahatratra 10% an'ny harin-karena faobe na PIB isan-taona ny vidin’ny fanarenana.
Toky R