airtel

Any Ivelany

01-déc-2023

MAHAJANGA

Naka olona indray ny Village Tourstique

Sample post image

Naka olona indray omaly ny ranomasina ao amin’ny Village touristique ao Mahajanga.

01-déc-2023

Zazalahy kely iray manodidina ny 10 taona eo ho eo no latsaka tao anaty rano omaly atoandro tokony ho tamin’ny 02 ora folakandro. Karazan’ireo ankizy nilalao teo amoron-drano ity zazalahy kely ity ka nateliny avy hatrany. Nisy koa anefa ireo nilaza fa nisolifatra izy, antony nahalatsaka azy tao anaty rano. Nezahina nentina tao amin'ny hopitaly manara-penitra moa ilay zaza saingy tsy tana intsony ny ainy. Naterina tao amin’ny tranom-paty ao amin'ny hopitaly manara-penitra Mahavoky Atsimo ny nofo mangatsiakany taorian’izany raha mbola nifampitadiavana kosa ireo fianakaviany. Tsiahivina fa anisan’ny toerana maka olona hatrany ny village touristique ao Mahajanga hatramin’izay. Ilana fitandremana fatratra araka izany io rano io, indrindra fa ho an’ireo vahiny.
Pati
Legende : Namoy ny ainy ity tovolahy kely ity !

 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Herinandro taorian’ny fahavakian’ny fifandiran’ny Filoha Amerikanina sy ilay mpanefoefo Elon Musk

Card image cap
13-juin-2025

Nitranga ny lozam-piaramanidina nahafatesana olona be indrindra tao Inde

Card image cap