airtel

Any Ivelany

17-mai-2022

Any Ivelany

Manandona - Vinaninkarena Nozeran’ilay tovolahy ny vato ny lohan-drenibeny

Sample post image

Tsy fantatra intsony na nihetsika aretina ity tovolahy iray voalaza fa voan’ny androbe tany Manandona Vinaninkarena omaly.

17-mai-2022

Nokapohiny tamin’ny angady mantsy ny Rainy niteraka azy. Ilay lelan'angady anefa no nahavoa ity farany teo amin'ny fihirifany ka vaky ny lohany. Nahita izany ilay renibeny efa 96 taona ka namonjy ilay naratra. Nozeran’ilay tovolahy ny vato indray anefa izy nandritra izany ka vaky ihany koa ny lohany.Maty tsy tra-drano ilay vehivavy lehibe vokatr’izany raha nentina notsaboina haingana kosa ilay raim-pianakaviana. Nentin’ny mpitandro ny filaminana moa ilay tovolahy hahafantarana raha tena marary saina marina izy fa fanahiniana natao izao vono olona feno habibiana nataony izao. Na izany aza dia manana andraikitra amin’izany ihany koa ny kaominina…amin’ny fandraisana an-tanana ireny olona marary saina ireny raha tena marary tokoa izy amin’ny fiarovana ny ain’ny manodidina.
Nangonin’i Pati
Legende : Naratra mafy tahaka izao izy mianaka
 

 

Dans la même rubrique